Politika

Famerenana ny “Iles Eparses”: Mitaky paikady diplaomatika matotra ny MMM

Nanao fanambarana, ma­noloana ny raharaham-pirenena, ny eo anivon’ny antoko Ma­­lagasy miara-miainga (MM M). Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ireo Nosy Malagasy. Namba­ran’ity antoko ity fa manana zo hitsidika ny “Iles Eparses” ny mpitondra amin’ny maha frantsay azy. “Tsy vahaolana anefa izany… Vahaolana avy aminay ny hametrahana paikady diplaomatika […]

Fitakiana ny “Iles Eparses”: Manamafy ny fanohanany an’i Madagasikara i Rosia

Mbola nanamafy indray. Nambaran’ny filohan’ny Fikambanana “Association Russie – Madagasikara-ARM”, Rakotonirina Richard, fa eo hatrany i Rosia manoloana ireo Nosy Malagasy “Iles Eparses”. Notsiahiviny fa efa mazava ny fehin-kevitry ny ONU ny taona 1979, fa an’i Mada­gasikara ary haverina aminy ireo Nosy ireo. Tsy mbo­la tanteraka anefa izany hatramin’izao ary […]

Tontolom-piarahamonina: Mampitovy ny olon-drehetra sy mampiavaka ny tsirairay ny zon’olombelona

Ny zon’olombelona no mampiavaka ny olombelona amin’ny biby; eny, na misy aza, ohatra, ny fikambanana miaro ny zon’ny biby any amin’ny firenen-dehibe sasany. Ny zon’olombelona no mampitovy ny olon-drehetra sy mampiavaka ny tsirairay . Izay tsara ho fantatra… Tamin’ny 10 desambra 1948 no nolaniana sy nampahafantarin’ny Fi­vo­riamben’ny Firenena mi­kam­bana (ONU) […]

Meso Capital Madagascar : Hanamora ny famatsiam-bola ny orinasa madinika

Tosika ho an’ny fahazoana famatsiam-bola an’ireo orinasa madinika (TPE) ny Tahiry Meso Capital Madagascar. Rafitra napetraky ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) hanohanana sy hampihodinana ary hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara. Fepetra takina ao anatin’ny rafitra ny fanarahan-dalàn’ny orinasa iray mba hahafahany misitraka famatsiam-bola avy amin’ireo banky. « Hanampy amin’ ny fa­natanterahana […]

Fifidianana Papa : Hiandry setroka fotsy ao Vatican izao tontolo izao

Hotanterahina anio, ao amin’ny lasapelina Sixtine, ny “Conclave”, fifidianana ny handimby ny papa François eo amin’ny fitantanana ny fiangonana katolika Roma­nina. Hitodika any Vatican ny mason’izao tontolo izao. Voa­fidy avy hatrany ny papa ny dikany rehefa miakatra ny setroka fotsy avy ao amin’ny Sixtine. Hisahana andraikitra lehibe hanonona ny anaran’ny […]