Politika

Kabeson’ny Ampanjaka Toera: Ho tonga amin’ny volana aogositra

Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, fa feno ny fepetra ary ara-dalàna ny dingana rehetra hirosoana amin’ny famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. ”Amin’ny volana aogositra no hotanterahina izany. Efa misy ny fifandraisana amin’ireo fianakaviana ary miara-misalahy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny pitsopitsony momba ny kolontsaina amin’ny fanantanterahana […]

MEETFP Atsimo Atsinanana : Tsy eken’ny sendika ny talem-paritra vaovao

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikan’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), Atsimo Atsinanana, ny herinandro teo. Nahitsy izy ireo manoloana ny fanendrena tomponandraikitra eo anivon’ny minisi­tera. Tsipahin’izy ireo ny fanendrena ny talem-paritra vaovao any Atsimo Atsinanana. “Takinay ny hanafoanana anatin’ny fotoana fohy ny fanendrena azy satria tsy mahafeno […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard tany Frantsa ilay minisitra delege eo anivon’ny minisiteran’ny Eoropa sy ny raharaham-bahiny, misahana ny Fran­kofonia sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, Thani Mohamed Soilihi. Avy any Mayotte izy ary efa loholona Frantsay fa malagasy kosa ny razambeny. Nandefa taratasy misokatra eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny […]

Fidinana ifotony eny amin’ny faritra : Nampahafantatra ny fanajana ny demokrasia ny HCDDED

Nitohy tany Toamasina indray ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalana (HCDDED), ny faran’ny herinandro teo. Indroa miantoana ny famelabelarana nataon’ireo mpikambana notarihin’ny filohany, Ranadialison Angelo, ka teo ny natao tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Nihaonan’ izy ireo amin’ny solontenam-panjakana sy olom-boafidy ary koa […]

Ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois: “Dinihina miaraka anaty fitoniana ny “Iles Eparses”

Nomarihina omaly, tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho etsy Ivandry ny fetim-pirenena Frantsay. Anisan’ny nambaran’ny ambasadaoro, Arnaud Guillois, ny momba ireo Nosy malagasy manodidina. Notsiahiviny tamin’ny lahateniny ny dinika teo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy Malagasy, ny 30 jona teo. “Efa namoaka ny fanambarana iombonana ireo mpivory ka […]