Politika

Fandraisana ny fihaonana an-tampony: Niaiky ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry ny Sadc

Mbola manakoako manerana an’i Afrika ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Afapo tanteraka tamin’ny fikarakarana ny vahiny. Anisan’ireo vakivava ta­min’ny nandraisan’i Ma­da­ga­sikara sy ny filoha Rajoelina Andry ny fitarihana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny filohan’i Afrika Atsi­mo, i Cyril Ramaphosa. Nam­barany fa hita taratra izany haitariky ny filoha Rajoelina […]

Minisitry ny Fitsarana: “Aoka isika tsy hifanaratsy “

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Ben­jamin Alexis, ny herinandro teo, tamin’ny synaodan’ny FJKM tanterahina any Taolagnaro fa mifanaratsy ny samy mpino. Nambarany fa tsy tokony hisy mpitondra fivavahana hana­ratsy mpitondra fanjakana na ny mifamadika amin’izany, araka ny nambarany. “Anisan’ny manampy sy manome tohana ny fiangonana hatrany ny eo anivon’ny fitondram-panjakana”, […]

Talata Volonondry – Valin’ny fitiliana: Matin’ny aretina ny ben’ny Tanàna

Tsy nisy namono fa maty noho ny aretim-po ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondrazaka Ny Toky Mam­pionona. Nametraka fangatahana hanaovana fitiliana, “Autopsie”, ny razana ny solombavambahoaka Tim Avaradrano, Andri­amosa Avotra. Nandalo teo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana ny hanatanterahana izany ary nahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Anisan’ny niatrika ny fitiliana ny […]

Fanatsarana ny zotram-pifidianana: Hanao tombana anatiny ny eo anivon’ny Ceni

Nanatanteraka fananganan-tsaina teny amin’ny foibeny eny Alarobia, omaly, ny Ceni. Nitarika izany ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène. Anisan’ny voaresaka ny fanatsarana ny zotram-pifidianana. Nambarany tamin’izany ny fanomanana ny atrikasa hanaovana tombana anatiny enti-manatsara ny zotram-pifidianana, hatao ny 27 hatramin’ny 29 aogositra ho avy izao, any Maha­janga. […]

FANTINA sy FINTINA

Efa any Japon ny praiminisitra Ntsay Christian handray anjara amin’ny andiany fahasivy, “Conférence internationale de Tokyo sur le développement de l’Afrique – Ticad”. Hanomboka ny 20 hatramin’ny 22 aogositra izao, any Yokohama, izany. Anisan’ny lohahevitra “Ny fikaroham-bahaolana ho amin’ny fanovana an’i Afrika”. Natao veloma ny herinandro teo, handeha hisotro ronono, […]