Politika

FANTINA sy FINTINA

Nitsikera ilay depiote tany Fianarantsoa nampitenenina ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajoelina Andry ny HVM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaly, Rako­tovaoRivo. Nohitsiny fa kolikoly izany. «Rehefa mbola te hirotsaka ny filoha ankehitriny, tokony izy no miteny. Rehefa tapitra dia tapitra. Tsy fanarahan-dalana ny ankoatra izay», hoy izy. Nosokafana ny herinandro teo ny foibe […]

Minisitra Mara Volamiranty Donna : “Be ny fanaovana fanoherana bontolo”

“Betsaka ny fanelezana tsaho, fanaovana fanoherana bontolo amin’ny famoahana vaovao tsy marina”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, tany Sainte Marie, ny faran’ny herinandro teo. Ny fanomezana vaovao sy antontanisa diso, ohatra, no tena olana tamin’ny tranga tany Ikongo. Raha […]

Andro Afrikanina JALCC 2025: Miezaka manenjika ireo manao kolikoly ny fitsarana

Notanterahina ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin’ny kolikoly JALCC. Anisan’ny nampahafantatra ny ezaka nataony tamin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nambaran’ny tale jeneralin’ny raharaham-pitsarana sy ny fandinihana ny fanavaozana ny lalàna, Rakotondrajery Salohy Noro­tiana, nisolo tena ny minisitry ny Fitsarana ny tenany tamin’ izany. […]

FANTINA sy FINTINA

Hisitraka fotodrafitrasa maromaro ny ao Toamasina amin’ny fandaharanasa Padeve II. Anisan’izany ny fanamboarana ny Bazary kely, ny eo amin’ny lakandrano avaratra sy ny lakandranon’i Tanambao. Eo koa ireo lalana maromaro eo an-tampon-tanana sy ny “Boulevard de la marine”. Nanka­toa­vin’ny filankevitry ny minisitra avokoa ireo. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholo­na Frantsay, Gerard Larcher […]

FITANTANANA NY SADC: Horaisin’ny filoha Rajoelina Andry

Herinandro vitsy sisa. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tany Ste Marie, ny firosoan’ny fanomanana sy ny fikarakarana amin’ny handraisan’i Madagasi­ka­ra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, andiany faha-45. Tapa­ka tamin’izany fa hanomboka ny 3 hatramin’ny 18 aogositra izany fivoriana iraisam-pirenena hatao eto Antananarivo izany. Nodinihina manokana ny famindram-pitantanana sy ny fahefana amin’ny […]