Politika

Voka-pifidianana : Takin’ny KMF/Cnoe ho isaky ny biraom-pifidianana

Nisy ny tsy fahatombanana tamin’ny fifidianana farany teo… Manoloana izany, takin’ny KMF/Cnoe ny famoahana ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana rehetra. Tsy resy lahatra amin’ny famerenana ordonansa ny fikambanana fa kajikajy politika sy manakorontana, araka ny fanambaran’ny KMF/Cnoe KMF/Cnoe Fana­beazana olom-pirenena. “Fifi­dianana fanoitry ny fampandrosoana no mendrika ny Ma­lagasy”, novakin’ny filohany, […]

Safidin’i Madagasikara: “Vonjeo ny vahoaka malagasy”

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny eo anivon’ny antoko Safidy ho an’i Madagasikara, tarihin-dRakotoarijaona Nirina. “Nano antso avo aminareo mpiara-miombon’ antoka rehetra izahay mba hamonjena ny vahoaka, manoloana izao loza mihatra eto amin’ny firenena izao”, hoy izy ireo. Notanisaina an-taratasy ho an’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fandriampahalemana, ny […]

Antenimierampirenena: Karaman’ny depiote no ividianana fiara 4×4

“Ny fiara tsy mataho-dalana homena ny depiote dia tsy nalaina tamin’ny kitapom-bolam-panjakana no hividianana azy, fa nalaina tamin’ny karaman’ny depiote”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampire­nena, i Tokely Justin, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fividianana fiara 4×4 ho an’ny depiote. Ny tambin-karama fanonerana ny fitaterana ao anatin’ny karamany no akana azy. […]

Rabary Paul : “Tsy amin’ny korontana sy fihemorana intsony ny Malagasy”

Eo am-piandrasana ny valim-pifidianana amin’ izao, misy ny manahy na matahotra korontana politika? Na sanatria maniry izany aza… Mane­ho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul: “Tsy amin’ny korontana sy fihemorana intsony ny Malagasy.” Fanehoan-kevitra… “Tsy dia tena mieritreritra politika politisianina ny olona amin’izao. Izay […]

Vovonana Yltpianina : « Aoka ho tony sy tsy hikorontana”’

Nanao fanambarana ny Vovonana Yltpianina, tarihin-dRanaivoarison Johnny Lemriss, taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Nambarany fa anisan’ny fepetra takin’ny asa fampandrosoana isan-tsokajiny ny fitoniana sy ny filaminana ary indrindra ny fanajana ny safidim-bahoaka. Manana adidy lehibe ireo hitantana ny tanàna mba hitandro ny tombontsoa iombonana. “Koa miantso ny rehetra izahay mba ho […]