Politika

Filohan’ny fitsarana, Rasololalao Hortense: “Mitovy ny fikirakirana raharaha eto aminay”

Naneho ny firaisankinany tamin’ny alalan’ny fomba fitafy sy ny maha izy azy isam-paritra ireo mpiasan’ny fitsarana, etsy Anosy ny herinandro teo. Fotoana koa io nanazavana ny fomba fiasan’izy ireo. Nambaran’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antana­narivo, Rasololalao Hortense tamin’izany fa tohin’ny hetsika ara-kolontsaina, nataon’izy ireo ny 2 jona lasa teo […]

Vondrona parlemantera Irmar: “Manameloka ireo mitady korontana”

“Manameloka ireo mitady korontana sy fihantsiana ady eo amin’ny samy Malagasy amin’izao fotoana izao”. Io ny fanambaran’ny vondrona perlemantera Irmar eo anivon’ny Antenimierandoholona nentin’ny mpitondra teniny, ny loholon’i Madagasikara, Rakoton­drazafy Lalatiana, teny Anosy, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hamafisin-dry zareo fa tsy miteraka fitoniana sy filaminana eo amin’ny […]

Fetin’ny Fahaleovantena : Nampiseho ny talentany tamin’ny sarinady ny FDS

Nampiaiky ny mpijery marobe teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny sarinady lehibe nataon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy izany. Tafiditra tanteraka anatin’ ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy malagasy ny hetsika « sarinady […]

FANTINA sy FINTINA

Nolanian’ireo loholona tetsy Anosikely, afakomaly, mifidy ireo senatera ireo olom-boafidy am- perinasa. Izany hoe, ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpanolotsain’ny Tanàna izany. Tsiahivina fa nanolotra izany tolo-dalàna momba ny fombafomba fifidianana ary ny fanendrena ireo loholona izany ny senatera Tsiebo Mahaleo. Namaly bontana ny filoha Rajoelina Andry ny mpanohitra amin’ny […]

Fikatonan’ny USAID : Hitantana ireo tetikasa ny masoivoho Amerikanina

Rehefa antomotra ny fanakatonana ny biraon’ny USAID eto Madagasikara, naneho ny fahavononany hitantana mi­vantana ireo tetikasa sy fanomezana amerikanina mitohy ny masoivohon’i Etazonia. Izay no fantatra tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafa­ravavitafika, ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Sem Claire A. Pierangelo, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Amin’ny alalan’ny […]