Lany 100% teo anivon’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny fahalalahan’ny fanamboarana sy fivarotana toaka gasy. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny fandaniana izany. Na izany aza, mbola nitondran’ireo loholona fanovana miisa fito izany tolo-dalàna izany. Haverina eny amin’ny Antenimierampirenena hodinihin’ireo depiote indray ary hanapahan’izy ireo farany ny momba ity […]
Politika
Fampandrosoana eny ifotony – MFFT: Nahatsara ny fari-piainan’ny mponina ny tetikasa PDCID
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy Anosy ny dingana fahatelo amin’ny tetikasa PDCID III. Iarahana manatanteraka amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fampandrosoana ifotony izany. Nampahatsiahivin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, fa mikendry ny hanamafisana ireo tolotra ho an’ny vahoaka avy amin’ny fanjakana eny anivon’ny kaominina, ary hampiroborobo […]
26 jona 1960 : Fifampiraharahana no namerenana ny Fahaleovantenan’i Madagasikara
Herinandro sisa… 26 jona 1960- 26 jona 2025. 65 taona katroka ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tsy mora ary maro ny dingana nolalovana. Fifampiraharahana no namerenan’i Frantsa ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Tantara.. Nambara teny Andohalo, tamin’ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, na dia tsy mbola afaka aza tamin’ny fanjanahantany frantsay. […]
FANTINA sy FINTINA
Hanendry filohan’ny delegasionina manokana (PDS) maromaro ny fanjakana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, afakomaly, tetsy Anosikely. “Efa misy anarana maromaro eo anivon’ny minisitera fa miandry ny fanendrena”, hoy izy nanoloana ireo loholona. Hisy hetsika sy seho maromaro eto Antananarivo sy ny manodidina […]
Fitsarana momba ny kaonty: “Mba ho araka ny filana ny fandaniam-bola”
“Heverina fa anisan’ny fanamby ho an’ny firenena, raha mifototra amin’ny zavatra efa vitanay izahay. Eo amin’ny fametrahana ny hoe laharam-pahamehana amin’izay tena ilain’ny vahoaka izay. Izay no heveriko hoe mila jerena sy mila fanovana”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny fitsarana momba ny kaonty, Rakotondramihamina Jean de Dieu, tamin’ny mpanao gazety teny […]




