Politika

Fihetsiky ny Jly Ravalomanana Richard: Tohina sy malahelo ny Holafitry ny mpanao gazety

Namoaka fanambarana manoloana ny fihetsika nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Nambaran’ny Holafitra tamin’izany fa tena tohina sy malahelo noho ny fihetsika sy teny izay heveriny ho tsy mendrika sy fanaovana tsinontsinona nataon’ny Jly Ravalomanana Richard izy ireo. Anton’izany ny tamin’ny […]

Ramaroson Laurent : “Samy hotsarain’ny tantara ny tsirairay”

Nahitsy ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, Ramaroson Laurent, ary mbola nanamafy ny efa nambaran’izy ireo tany aloha. “Samy hotsarain’ny tantara amin’ny asa sy andraikitra noraisiny ary ny fanapahan-keviny ny tsirairay”, hoy izy. Mitom­bina izany raha miainga amin’izao toe-draharaha izao, araka ny nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny MMM ity. […]

FANTINA sy FINTINA

Notebahin’ny depiote Fidy ny mpanohitra manoloana ny “Raharaha Boeing 777”. Nambarany fa efa voaozona hankahala tsotra izao ny fanoherana na marina aza ny lazaina. “Efa nanambara fa tsy nampahafantatra momba ireo fiaramanidina misy olana ireo amin’ny filoha sy ny praiminisitra ilay minisitra. Mazava izany fa tsy misy idiran’izy ireo io”, […]

Fisorohana ny kolikoly sy hosoka : Efa niomerika ny tolotra ho an’ny fananantany

Nambaran’ny tale jeneralin’ny fananantany, Razafindra­tsimba Vonjy, tetsy Anosy, omaly, fa efa tsy afa-miala amin’ny niomerika amin’ireo antontan-kevitra momba ny fa­nanantany sy ny vaovao momba izany ny fitondram-panjakana ary efa miroso any amin’ny “Digitalisation”. “Efa misitraka izany Antananarivo amin’ny fanomezana anaty mi­nitra vitsy ny Titre sy ny ka­dasitra ary ny Plan […]

CSI : “Mila faritana amin’ny lalàna ny kolikolim-pifidianana”

Nitondra tolo-kevitra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana ny eo anivon’ny Kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI). Nivoitra tamin’izany ny kolikoly amin’ny fifidianana. “Rehefa misy mividy olona amin’ny fifidianana na manome vola olona mba hifidy ny tena, mihevitra ny rehetra hoe kolikoly izany. Nefa tsy mbola na­maritra ny lalàna hoe kolikoly izany. Tsy […]