Politika

Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Manohana ny fitsinjaram-pahefana ny KFW

Nanokatra ny biraony tamin’ny fomba ofisialy eto Antananarivo, nanomboka ny 16 jona teo, ny Banky ho an’ny fampandrosoana KFW Alemà. Hanamafy ny sehatra iarahan’i Alemanina miasa miaraka amin’ny GIZ izany. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’izany ny GIZ. […]

FANTINA sy FINTINA

Nanazava momba ny fomba fiasa amin’ny fakana ny hetran-tany sy ny hetran-trano anivon’ny kaominina ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, omaly, tetsy Anosikely. Nambarany fa tsy lasan’ny fanjakana foibe ny vola amin’izany. “Tsy miova ny lalàna amin’izany. Hampiasa teknolojia ny fanjakana hanatsarana ny fampidiran-ketra”‘, hoy izy. Tsy hanaiky ny […]

Fisitrahana vaovao : Mitaky mangarahara amin’ny parlemanta ny OSC

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fikambanamben’ ireo fiarahamonim-pirenena (OSC) miisa 19, omaly. Ni­voitra tamin’izany ny fisitrahana vaovao ho an’ny daholobe, fepetra tsy azo ihodivirana amin’ny demokrasia. Notakin’ izy ireo ny amin’ny fandraisana maika ny lalàna momba ny fahazoana miditra amin’ny vaovao ho an’ny daholobe. Mifanaraka amin’ny fitsipika demokratika, indrindra ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy misy vola tokony haloa amin’ny tsenambaro-panjakana”

Marolafy ny fanontanian’ireo loholona tamin’ny Praiminisitra nandritra ny fifanatrehana tamin’ny governemanta. Anisan’izany, ny fakana vola amin’ny tsenambaro-panjakana, ny fisian’ny governora sy tale mpisolo toerana etsy sy eroa, ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc… Valin-teny. “Tsotra ny tsenambaro-panjakana: tsy misy zavatra tokony haloa, ankoatra izay voafaritry ny lalàna. Tsy misy zavatra […]

FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ny prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, fa tsy ilaina ny maneho hevitra an-dalambe manoloana ny teknolojia amin’izao fotoana izao. “Efa hery faharoa amin’ny fanehoan-kevitra ireny tambajotran-tserasera ireny. Fanakorontanana ara-politika io fitadiavana hidina an-dalambe io ka tsy maintsy mailo ny prefektiora”, hoy izy. Nankasitraka ny filoha Rajoelina Andry ny depiote […]