“Tiako ny manamarika fa ny filohan’ny Repoblika sy ny tenako dia tsy mahalala ny zava-misy”, hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Anosy, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro teo aloha, Ramonjavelo Valéry. Tsy inona izay zava-misy izay fa ny amin’ny […]
Politika
Raharaha Boeing 777-200 ER: Nesorin’ny Jly Ravalomanana Richard ilay Indianina mpanolotsainy
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosy, omaly, fa nofoanany avy hatrany ny fanendrena ilay Indianina, i Singh Khushwinder, izay voarohirohy sy karohina fatratra momba ny “Raharaha Boeing 777-200 ER“. Nohamafisiny fa tsy mpanolotsaina manokana izy io fa “bénévole” ihany. “Tsy misy zavatra fantatro ireny zava-misy ireny, namita […]
Anjaramanantsoa Laza Fanambinana : “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”
Aiza ho aiza ny tontolo politika amin’izao? Eny, na ny fiainam-bahoaka aza… Maneho ny heviny ny olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina hatramin’izay, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Izay tena mangirifiry ny vahoaka aloha no olana amin’izao”. Dinidinika… * Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao? – Anjaramanantsoa Laza […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, ny filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara, pasitera Mailhol, araka ny fampitam-baovao omaly. Voaresaka ny fampianaran’ny fiangonana ireo voafonja eny Antanimora, Manjakandriana, ny fonjaben’i Tsiafahy ary Imerintsiatosika. Tokony ho saro-piaro amin’ny fananana iombonana ny vahoaka ifotony, araka ny nambaran’ny […]
Fanatsarana ny lalàm-pifidianana : Mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni
“Amin’izao fotoana izao, mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fakan-kevitra hanatsarana ny lalàm-pifidianana. Nampahafantatra ireo dingana ahazoan’ny tsirairay mandray anjara amin’ny fanoloran-kevitra ny Ceni. Nandefasany taratasy misy fafana avokoa ireo mpiantsehatra amin’ny raharaham-pifidianana: mpanao politika, fiarahamonina sivily, tontolon’ny […]





