Politika

Fifanatrehana teny Tsimbazaza : Mbola te hitazona ny Praiminisitra ireo depiote

Samy namerimberina ny hitazonana amin’ny toerany ny praiminisitra Ntsay Christian ny maro anisa amin’ireo depiote. Nivoitra izany tamin’ny fifanatrehana tamin’ny governe­manta, tao anatin’ny roa andro, teny Tsimbazaza. Nivoy hatrany fa mendrika sy tokony hanohy ny asany amin’ny maha lehiben’ny go­vernemanta azy ny praiministra Ntsay Christian, ireo depiote. Tao ireo nanome […]

Praiminisitra Ntsay Christian ; “Tsy azo ekena ny korontana lava eto amin’ny firenena”

Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny depiote ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny zoma alina teo. Nisy ny hafatrafatra nentiny tamin’izany, manoloana ny raharaham-pirenena. “Anisan’ny olana goavana ny korontana, ary antony nahatonga izao fahantrana izao. Ahoana no ieritreretana hoe isaky ny enim-bolana na roa taona dia korontana lava eto […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly, fa tsy afaka manome alalana ireo hetsika politika rehetra ny prefektioran’Antananarivo amin’ izao mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena izao. Hentitra ny fanambarany. “Tsy nahafeno fepetra hahafahana manao fangatahana hihetsika ny fikambanan’ ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ka nolavina”, hoy izy. Samy nitaky ny […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ho azo alohan’ny 20 jona ny volan’ny kaominina”

Anisan’ny namaly sy nitondra fanazavana tamin’ireo depiote ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andri­an­tsitohaina Naina. Anisan’ izany ny momba ny eny ani­von’ny kaominina. Niaiky ny minisitra fa nihena ny vola fanampiana na “Subvention” hampandehanan-draharaha eny ifotony. Mihoatra amin’ny teo aloha anefa izany raha ny fitambaran’ny vola […]

Vola nogiazan’ny Bianco : 100 miliara Ariary tao anatin’ny efa-bolana

Nahatratra 100 miliara Ariary ny vola nogiazan’ny Bianco ny volana janoary hatramin’ny avrily 2025. Olona 180 naiditra am-ponja vonjimaika. “23 miliara Ar tamin’ny 2024 no nogiazina hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana. Tafakatra 100 miliara Ar ny vola na fananana nogiazina tamin’ity taona ity, hatramin’ny avrily”. Io ny fanazavan’ny tale […]