Politika

Ho an’ny tombontsoam-pirenena : Nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery

48 ora taorian’ny nipoahan’ny raharaha fandefasana fiaramanidina tany Iran, nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery, niandraikitra ny fitaterana. Tsy nahaaro azy ny filazana fa voafitaka ny fanjakana malagasy. Efa nampoizina ! Neso­rin’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra tamin’ny toerany ny minisitry ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetry ny andro, […]

Fihaonana an-tampon’ny SADC : Misy ny fanamafisana ny tombon­tsoa efa azon’i Madagasikara

“Ao anatin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc, misy ny fanamafisana ny tombontsoa efa azontsika amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa, izay miompana amin’ny lafiny angovo sy ny toekarena manga”. Fanazavana nentin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, ny amin’izay mety ho tombontsoa azo amin’izao fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Ho vehivavy ny governoran’ny faritra Amba­tosoa, izay faritra faha-24. Afaka fotoana fohy no hanendrena an’izay governora izay, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fidinana ifotony tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Efa eo an-tanany ny mombamomba ireo vehivavy telo kandidà amin’izany. Vita fianianana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy famonoana afo ny fanaovana serasera”

“Ny minisitra isan-tokony lasa mieritreritra fa mpamono afo ny seresera. Ahitsy izay fa tsy izany ny seresera fa zavatra nianarana io, ary atao amin’ny fomba matihanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny serasera eo anivon’ny Antenimierampi­rene­na, ny depiote Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny resabe mandeha ny amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambo­hi­malaza. […]

Minisitra Rasata Rafaravavitafika : “Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara”

Nampiantso ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Nampahatsiahiviny, nandritra izany, fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. “Nahazoako nampaha­tsiahy taminy izany fotoana izany fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Ma­lalaka amin’ ny safidy ataony koa i Madaga­sikara eo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena”. […]