“Fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta no natao. Mba hahazoana mametraka fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fifanakalozana amin’ny alalan’ny fivoriana izany. Karazana fifanarahana lasitra ihany anefa”. Io ny fanazavan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Iavoloha, omaly, ny amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Slovénie sy i Madagasikara ao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana […]
Politika
Fiaraha-miasa amin’i Slovénie : Laharam-pahamehana ny angovo sy ny fampianarana
Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Slovénie, Sem Natasa Pirc Musar ny filoha Rajoelina Andry. Fitsinjovana ny ho avy! Nanamafy ny fiara-miasa amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Madagasikara sy ny firenena Slovène. Lafin-javatra telo no noresahin’ny filoha […]
Rakotoarimanana Henintsoa: Mijery ny tombontsoan’ny vahoaka ny filoha
Ho avy eto Madagasikara, anio, ny filohan’i Slovenie, Natasa Pirc Musar. Hanamafy ny fifanarahana ara-diplaomatika eo amin’i Madagasikara, izay tarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy i Slovenie, no tanjona amin’ity fitsidihana ity. Nilaza ny heviny mahakasika izany ny ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa na ny maire Tôta. “Manana filoha mijery ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hitondra filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena ny fanajana ny demokrasia, araka ny hafatra nampitain’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. “Nilanjan’ny olona vatapaty sy « ressorts » ny tenako saingy tsy namaly izany satria izay ilay demokrasia”, hoy izy. Mety tsy matory sy tsy milamin-tsaina ireo nanao izany, araka ny […]
Hafatry ny faha-45 taona FFKM: “Aoka isika hanome haranjono fa tsy hanolotra trondro”
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny FJKM Andrainarivo, ny alahady teo, ny faha-45 taona nijoroan’ny FFKM. Nitarika izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Nivoitra tamin’ny teny fampianarana nentin’ny mpitandrina, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, fa tokony hifampihaino ny rehetra, tsy handrihandry manana aretina ary hifampihevitra eo anivon’ny fiarahamonina. Nanteriny ny tokony […]




