Notanterahina omaly, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny famadihana ho niomerika ireo didy fandravana eo anivon’ny fitsarana. Nambaran’ireo tomponandraikitra fa tafiditra amin’ny mangarahara ny firosoana any amin’ny famadihana ireo didy fakan-tahaka ” Jurisprudence” ho niomerika. Maherin’ny 1 000 ireo didy efa tafiditra ao anatin’izany tranonkala izany, efa azon’ny rehetra jerena. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Notebahin’ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, ireo fitsidihana sy ny hetsika tsy nahitam-bokatra nefa nanaovana serasera. “Ny tena antony, ny votoatin’izy ireny ary ny vokatra azo tamin’izy ireny toa tsy mba hita”, hoy izy. Nambarany ho olany ny filoha voakiana manoloana ireo mpiara-miasa aminy tsy hihira sy tsy hanao tsianjery. […]
Fiaraha-miasa: Higadona eto Madagasikara ny filohan’i Slovenie
Ho avy eto amintsika, ny talata izao, ny filohan’i Slovenie, Nataša Pirc Musar. Hihaona amin’ny filoha Rajoelina Andry ny tenany amin’izao fitsidihana ataony izao. Anisan’ny manamarika ity filoha ity ny maha mpanao gazety sy mpisolovava azy. Filoha mitantana an’i Slovenie nanomboka ny taona 2022. Efa minisitry ny Raharaham-bahiny ny tenany, […]
Fitantanana Andrimpanjakana : Voahodinkodina ny vola tao amin’ny Antenimierandoholona
Nitondra fanazavana ary namaky bantsilana ny fanodinkodinam-bola ao amin’ny Antenimierandoholona ny filohan’ ity Andrimpanjakana ity, ny Jly Ravalomanana Richard. «Tena misy io. Izaho no nangataka ny mpanao famotorana tao amin’ny Toby Ratsimandrava : mangataka fanokafana fanadihadiana». Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, […]
SOMBIM-BAOVAO
Maro amin’ireo mpankafy ny taranja baolina kitra malagasy no manaitra ny tomponandraikitra ankehitriny mahakasika ny Kianja Barea. Tsy nahenoina tohiny intsony moa ny resaka momba ity kianja ity amin’izao fotoana izao. Hanomboka anio 30 mey ary hitohy hatramin’ny 1 jona izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley. Any Toamasina, […]




