Politika

FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo sefo distrika nesorina amin’ny toerana, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, natao ny alarobia teo. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto, Mahabo, Amparafaravola, Antani­fotsy ary koa ny any amin’ny distrikan’Antambao Manampotsy. Nosoloina koa ny Prefet any Manakara. Hatao eto Antananarivo ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa sy ny […]

Solombavambahoaka teo aloha : Manentana ny Malagasy hanaja ny rafitra sy ny Filoha

Noho ireo fanehoan-kevitra misy any amin’ny haino aman-jery sy miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera, manentana ny vahoaka malagasy ny vondron’ny Solombavambahoaka teo aloha, miisa 32 mianadahy. Avy amin’ny antoko Irmar izy ireo, ary ny hanajana ny soatoavina malagasy, ny filoham-pirenena ary ny rafi-panjakana misy eto Madagasikara no nanaovan’izy ireo antso. Nilaza […]

Pnud sy ny MFFT : Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo ben’ny Tanàna

Natao tetsy amin’ny FDL Anosy ny fivoriana momba ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony. Nitarika izany ny avy eo anivon’ny Pnud sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nivoitra tamin’izany fivoriana natao ny alarobia teo izany ny fifampizarana sy fandinihana ny fandrindrana […]

Depiote Rahantanirina Lalao: “Tsy izay miteny any amin’ny facebook no marina”

Manoloana ilay resaka fanangonan-tsonia nataon’ny olom-boafidy tao Mahajanga sy Betsibo­ka, hanesorana minisitra roa, namoaka ny heviny mahakasika izany ny depiote Irmar, avy any Mahajanga, Rahanta­nirina Lalao na depiote Nina, omaly, tetsy Mahamasina. “ Tsy resy akory ny olo-mangina, ary samy manana ny eritreriny avy. Tsy izay miteny any amin’ny facebook […]

Miadana Fabien Privat : “Mila hatsaraina hiantohana ny tsy fitongilanana ny lalàm-pifidianana”

Hanao tombana ny fifidianana ny Ceni, ary hampiantso ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ho amin’ny fanatsarana ny lalàna. Efa misy tolo-dalàna ny amin’izany eny amin’ny Anteni­mierandoholona. Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolo­tsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ni­laza hanao […]