Hampanantsoin’ny filoha Rajoelina Andry eny Iavoloha ireo minisitra tomponandraikitra mahakasika ny fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza. Hivantana amin’ny TVM/RNM izany ny alakamisy alina izao. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tao amin’ny pejy “Facebook” ny, omaly, fa mametraka ho laharam-pahamehana hatrany amin’ny fanambarana ny marina manoloana ny vahoaka malagasy ny tenany, indrindra […]
Politika
Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany
Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany […]
Ampitifirana Ankatso : Faha-77 taona nitifirana ny Lietnà Randriamaromanana Albert
Notanterahina ny sabotsy 19 jolay 2025, teny amin’ny sahan’Ampitifirana Ankatso, ny hetsi-pahatsiarovana ireo Malagasy mahery fo nitari-tolona tamin’ny hetsi-panafahana 1947-1948. Feno 77 taona ny nitifirana ireo mahery fo niady ho an’ny fahafahan’i Madagasikara teo ambany ziogan’ny mpanjakana: ny Lietnà Randriamaromanana Albert, Rakotondrabe Samuël, Ratsizafy Samuël, Lezoma ary Bekamisy. Nitarika ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hatao any amin’ny faritra Ambatosoa indray ny filankevitry ny minisitra ny 25 sy 26 jolay izao. Hotokanana amin’izany ny kianja sy tsena any an-toerana ary ireo fotodrafitrasa maro aorian’izany filankevitry ny minisitra izany. Tsiahivina fa ahitana ny distrikan’i Mananara sy Maroantsetra ny faritra Ambatosoa. Mitaky ny hamoahana ny marina momba […]
Madagasikara-Vondrona afrikanina : Mifototra amin’ny fifampitokisana ny fiaraha-miasa
Fanehoam-pisaorana sy famerenana ny fahavononan’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona afrikanina (UA) mifototra amin’ ny fifampitokisana. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fandraisan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny solontena manokan’ny filohan’ny Vaomieran’ny UA sady lehiben’ny Biraom-pifandraisana UA eto Madagasikara, Sem Alice Nzomukunda, teny amin’ny birao fiasany Anosy, omaly. Mamarana […]





