Politika

Filoha Rajoelina Andry:”Mitaky fandavantena ny asa fampandrosoana”

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny fananganan-tsaina ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny faha-65 taonan’ny Foloalindahy. Natao teny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Analakely, izany ary notarihin’ny filoha Rajoelina Andry. “Mitaky fandavantena ny asa fampandrosoana ny firenena, indrindra fitiavan-tanindrazana. Izany no manosika antsika rehetra hanao ny tsara, hanaja lalàna, […]

FANTINA sy FINTINA

Hivelatra kokoa amin’ny sehatra hafa ny fifandraisana eo amin’ i Madagasikara sy i Rosia. Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny mpiraki-draharaha vonjimaika, i Alexeï Buriak, sy ny mpanolotsaina diplaomatika ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Patrick. Voaresaka koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Nandray ny solontena eo anivon’ny Franko­fonia […]

Famokarana sy fivarotana toaka gasy : Mitaky kalitao tsara ireo depiote

Tsy mbola mifarana eo! Nitondra fanazavana momba ny tolo-dalàna amin’ny famokarana sy famarotana toaka gasy ny filohan’ny Vaomiera misahana ny lalàna eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny solombavambahoaka voafidy tao Farafangana, Raby Sava­tsarah. Nambarany fa betsaka ireo toerana sy faritra tena mamokatra azy io. Notakiny, araka izany, ny hiarovana io seha-pihariana io. […]

Fankalazana ny fetin’ny 26 jona : Hitarika ny fananganan-tsaina ny filoha Rajoelina Andry

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, anio, ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Homarihina amin’ny hetsika maro izany manomboka izao. Hisantarana izany ny fananganan-tsaina azon’ny rehetra atrehina etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ho an’ny eto An­tananarivo Renivohitra. Hita­rika ny lanonana amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina […]

Dr Souleman Ibrahim A.: “Tombony ho antsika ny Base Toliara”

Nitondra ny heviny momba ny tetikasa Base Toliara ny mpampianatra mpikaroka mo­mba ny “Geologie appliquée au développement et à l’environnement” eny anivon’ny Oniversite, ny Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby. “To­m­bony ho an’ny mpianatra ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ahafahana manao fampiharana sy  fikarohana”, hoy izy. Nanteriny fa manana ny sampam-pikarohana mo­mba […]