Politika

Ravololomanana Lalatiana : “Ahina ho misy kolikoly ny fitantanana ny CUA”

“Mandeha be ny resaka fa misy kolikoly eo anivon’ny fitantanana ny tanàna. Tale no miresaka an’izany. Roa volana lasa izay, misy olom-boafidy hoe tratra ambodiomby manao kolikoly. Tsy misy fanadihadiana momba an’izany”. Fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA), Ravololomanana Lalatiana, teny Analakely, omaly, ny amin’ny fitantanana […]

Fihaonana an-tampony eto Madagasikara : Mikendry ny hampihena ny fahantrana ny Sadc

Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 3 aogositra hatramin’ny 18 aogositra, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Mifototra amin’ny sehatra maromaro ny ho votoatin’izany fivoriana izany. Eo ny fikendrena ny hampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena maharitra sy ara-drariny. Ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Tafiditra ao anatin’izany […]

Loholona Lalatiana R.: “Tsy trosa ireo fiara nomen’ny sinoa”

Anisan’ireo nanatrika ny lanonana fanolorana ny fiara miisa 16 avy amin’ny fitondram-panjakana sinoa, omaly, teny Iavoloha, ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Nitondra fanazavana momba izany fanomezana izany ny tenany ka nilaza fa maimaimpoana izany. “Tsy misy tambiny ary tsy natao trosa mihitsy sao hamendrofendro indray ireo mpanita-dresaka matihanina”, hoy izy. Nanteriny […]

Fandraisana ny Sadc: Nanolotra fiara raitra miisa 16 i chine

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fivoriambe iraisam-pirenena, Sadc, hatao eto Antananarivo. Na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izany na koa ny fametrahana ny toeran’i Madagasikara aty Afrika. Natolotra omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ireo fiara vaovao miisa 16, marika Hongqi H9, avy amin’ny Repoblika en­tim-bahoaka an’i […]