Politika

Fankalazana ny 26 jona : Tontosa ny diaben’ny Fahaleovantena

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taon’ny Fahaleo­vantena, nisy ny diaben’ny Fahaleoventana, omaly, teny Ambohijatovo nihazo ny Kianjan’ny Barea, Mahama­sina. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny ma­tson’ny mpilalao ny fanombohana ny hetsika ara-panatanjahantena. Nifanandrinan’ny Hery fiarovana sy filaminana tamin’ny tomponandraikitra ambony eny anivon’ny an­drimpanjakana ny lalao baolina kitra fiadiana ny amboaran’ ny […]

Akamasoa- Père Pedro: Hisy horaisina mpiasam-panjakana

Nanamarika ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena slovenianina teto Madagasi­kara ny fitsidihany ny toby Akamasoa an’ny Père Pedro, omaly. Nifanindran-dalana tamin’izay ny fitokanana se­koly teny Bemasoandro. No­hamafisin’ny filohan’ny Repo­blika malagasy, nandritra ireo, ny fankasitrahany ny ezaka ataon’ity pretra ity sy ny mpanabe ao aminy. Izay nolazainy fa tsy mikely soroka tokoa amin’ny […]

Fitoriana eny amin’ny “Cybercriminalité”: Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ceni sy ny Sénat

Mihenjana ny tady eo amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana sy ny Antenimierandoholona. Ny fitoriana ilay filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina eny amin’ny brigady misahana ny heloka ana habaka no fototr’izany. Mafampana ny toe-draharaha! Nam­piaka-peo ny filohan’ny Ceni, An­drianarisedo Dama Arsène, notronin’ ireo mpikamban’ny Vaomieram-pifidianana, omaly, tetsy Alarobia. Melohin’izy ireo […]

Jly Ravalomanana Richard: “Aoka hotandrovina hatrany ny fihavanana”

Nandray ireo ben’ny Tanàna avy any amin’ny distrikan’i Brickaville ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. “Aoka isika hitandro hatrany ny fihavanana sy handala ny firaisankina. Efa vita ny fifidianana ka tokony himasoan’ny rehetra ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy. Etsy andaniny, […]

FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ny depiote Rajerison Antoine manolona izao fahatapahan-jiro izao. Nambarany fa efa tena famonoana ny toekarena anatiny mihitsy izao zava-misy izao. Tsy mahavaha olana intsony ny mpanatanteraka. Toa tsy misy mijery, tsy misy miresaka, akory. “Mame­traha fialana rehefa tsy vita intsony fa aza atao an’izao ny vahoaka”, hoy izy. Nisolo […]