Hatramin’izao, mbola misy lafiny tsy mampitovy hevitra be ihany ny amin’ny Raharaha 29 marsa 1947. Inona no marina? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona ny marina momba ny Raharaha 29 marsa 1947? Rabevahiny Elia (-): Farafaharatsiny, misy filaza roa samy hafa. […]
Politika
OMC Toliara: « Tsy handeferana mihitsy ny fanakorontanana »
Melohin’ireo tomponandraikitra misahana ny filaminana any Toliara sy Atsimo Andrefana ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. « Tsy azo andeferana ny fanakorontanana », hoy izy ireo. Nanao fanambarana ny Prefektiora Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpampanoa lalàna, ny zandarimaria, ny Tafika ary ny polisy, omaly 26 marsa. Melohin’izy ireo […]
Andrianainarivelo Hajo : “Maika ny hampiasana ny volam-panjakana”
Naneho ny hagagany tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Tsy nitsitsy fitenenana izy tamin’izany. Nohitsiny fa tsy mba nasiana resaka mihitsy ny momba ireo havana sy ireo Malagasy any atsimon’ny Nosy, traboina ary anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nandalovan’ny rivodoza indroa […]
FANTINA sy FINTINA
Hatsaraina ny asam-pitsarana, hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ireo mpitantana ny fitsarana avy any Menabe, teny Faravohitra. Eo koa ny fanaraha-maso hentitra ny raharaham-pitsarana anatin’ny mangarahara. Nitohy ny hetsika fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947 ka notanterahina amin’ny alalan’ny fampirantiana mitety sekoly […]
Fifidianana kaominaly haverina: Andrasana ny didim-panjakana
“Miandry ny didim-panjakana havoakan’ny governemanta izao isika ny amin’ny fanaikana mpifidy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, nanontaniana ny amin’ny fifidianana kaominaly haverina. Efa nisy volavolan-kevitra naroson’ny Ceni any amin’ny governemanta ny amin’izay fifidianana kaomianaly haverina izay. Ny antony hoe mety mbola tsy hamoahan’ny fanjakana izay fanaikana […]




