Politika

Filankevitry ny governemanta: Nangataka fahafahana manao hetsika ny mpanohitra

Anisan’ny efa nodinihina sy voaresaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny herinandro lasa teo, ny tolo-dalàna avy amin’ireo solombavambahoaka, mpanohitra. Anisan’ny notakian’ireo depiote avy amin’ny fanoherana amin’izany ny momba ny fahafahana manao hetsika politika, ao anaty fahalalahana tanteraka manerana ny Nosy. Nanamafy izany ny depiote avy amin’ny Firai­sankina, natolotry ny Tim, […]

Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny AFD: Miroso ny tetikasa miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony

Manatanteraka iraka fanaraha-maso ireo tetikasa eto Madagasikara ireo delegasionin’ny Fiaraha-miasa Frantsay (AFD). Nivoitra tamin’izany ny ezaka vita sy ny hanohizana izany, manomboka izao. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina ireto iraka ireto, omaly tetsy Anosy. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny famaranana ny fandaharanasa Padeve, dingana […]

Fitantanam-panjakana : Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana amin’ny fitondrana

Tokony ho ara-drariny sy ara-dalàna mandrakariva ny fitantanam-panjakana na ny fitondrana. Amin’izay, mitoetra ary maharitra ny fahamarinan-toerana. Mila mifameno ny hasina sy ny fahefana. Famakafakana… Amin’ny ankapobeny, hasina no andikan’ny Malagasy ny hoe “autorité”. “Hery misy fahefana hanasoa na handresy, heverina ho misy ao amin’ny fanahy na olona na zavatra […]

Menaka tsy azo amidy eny amin’ny tsena: Takina ny fanazavan’ilay orinasa mpanondrana

Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra, ny 3 jolay teo, fa tsy azo amidy eny an-tsena ny menaka sakafo, mitondra ny marika “Roots”. Noraisin’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra any Antsirabe izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny fisafoana nataon’izy ireo ny 23 jona teo, tamin’ny mpamongady iray. Hatra­min’ izao anefa, […]

Menaka, Jirama, fahapoizinana… : Mitaky ny fahamarinana ny KFM/Cnoe

Zo fototra ny vaovao marina, fototry ny demokrasia sy ny fampandrosoana ny firenena, araka ny fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, ma­noloana ny olana sosialy eto amin’ny firenena. Lohatenin’ izany “Noana fahamarinana ny olom-pirenena”. Nam­baran’izy ireo fa mahasoa ny mpitondra fanjakana sy ny firenena ny famakiana batsilana ny zava-misy marina, mba […]