Politika

Fitantanana eny ifotony : Nofanina momba ny tetibola ireo ben’ny Tanàna

Nitohy tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna vaovao. Nanatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny INDDL. Miompana amin’ny sehatra samihafa ny fanofanana. Nisitraka fanofanana ireo ben’ny Tanàna any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hatramin’ny oma­ly. Anisan’ny niompanan’izany ny fitantanan-draharaha […]

FANTINA sy FINTINA

Nosalorana samboady, ny herinandro teo, ireo ben’ny Tanàna miisa 86 any amin’ny faritra Fitovinany. Ahitana ny ao Manakara nanaovana ny lanonana sy ny any Vohipeno ary Ikongo. Nitarika izany ny loholona isany, Rabemananjara Nicolas sy Raymond ary Ndremanjary Jean André. Samy nilaza izy ireo fa tsy misy kaominina hadino izany […]

Vahoaka miray: “Mila sorohina ifotony ny tsy fandriampahalemana”

“Raha tsy voasoroka hatrany amin’ny fotony, tsy voavaha io olana io. Eo ny tsy fisian’ny famoronana asa. Mihalava ny hantsana mampisaraka ny manan-tsaina sy ny mahantra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Tsy miasa […]

Atrikasam-pirenena MFFT sy ny MPEB: Hohatsaraina ny fitantanana ny ranomasina

Notanterahina teny Andrainarivo, omaly, ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra momba ny ranomasina. Napetraka tamin’izany ny tanjona iraisan’ireo mpisehatra rehetra. Samy naneho fahavononana handray andraikitra amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ireo mpisehatra rehetra. Anisan’ izany ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga […]

FANTINA sy FINTINA

Niezaka nampitovy tadin-dokanga noho ny disadisa ny vovonana Firaisankina, notronin’ireo depioten’izy ireo avy, tetsy Faravohitra, ny zoma teo. “Ilaina arindra aloha ny ato amintsika. Hapetraka ny hambo-po fa mila mijoro isika manoloana izao mahazo ny vahoaka sy ny firenena izao. Ilaina ny fananana fijery mitovy”, hoy Ravalomanana Marc. Efa any […]