Politika

Fampandrosoana eny ifotony: Nijery ireo asa vita ny MFFT sy ny ONU Habitat

Hifarana ny tetikasa AF/SEA MOR’AF, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) miaraka amin’ny ONU-Habitat. Nidina ifotony nijery ireo asa vita tany Morondava izy ireo. Miisa valo ireo tetikasa mandinika nojerena tamin’izany ho fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe. Anisan’ny zava-bita ohatra ireo trano ho fialofana […]

Fanavaozana ny lisi-pifidianana! Mbola manana fotoana hanamarinana ny olom-pirenena

Fampahatsiahivana, fanamafisana… Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni ary nanentanan’izy ireo ny rehetra ny hanamarinan’ny tsirairay ny momba azy ao amin’ny lisitry ny mpifidy. “Raha ny lalàna eto Madagasikara, tsy an-tery fa malalaka ny safidin’ny olom-pirenena hoe hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izy na tsia”. Io ny nambaran’ny tonia mpanatanteraka […]

Fitantanana firenena: Manahy krizy politika ny HVM

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny sekretera jeneralin’ny antoko HVM foibe Madagasikara, Rasambany Alain Désiré. «Mety hiteraka fipoahana ara-tsosialy ary indrindra ny ara-politika izao zava-misy izao», hoy izy. Nanteriny fa tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ka amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana sy ny fidinana an-dalambe sisa no hanehoany izany. […]

MFFT sy ny Firenena mikambana : Nisitraka kamiao ny kaominina Morondava

Manamafy ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny fako ny eo anivon’ny kaominina renivohitra Morondava. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kamiao iray lehibe fitaterana fako. Tafiditra amin’ilay tetikasa «AF/SEA MOR’AF” izany ary tohanan’ny ONU-Habitat sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny Firenena […]

Fahatongavan’i Macron eto Madagasikara: Mitaky ny hamotsorana an-dRafanoharana ny loholona frantsay

Nandefa taratasy tany amin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny loholona Christophe-Andre Frass. Anisan’ny notakiny ny hifampidinihana ny momba ny Raharaha Rafanoharana Paul. Nivoitra tamin’ny taratasy ny fangatahan’ity loholona ity ny hifampidinihan’ny mpitondra eo amin’ny firenena roa tonta, amin’ny hitsidihan’ny filoha Emmanuel Macron eto Madagasikara. Nambarany tamin’izany koa ny tokony hamotsorana […]