Mampitovy fomba fijery ny ben’ny Tanàna aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Resy lahatra izy ireo fa avy ifotony no hiaingan’ny tena fampandrosoana. Ny olana amin’ny hetra sy fampidiram-bola, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahaiza-mitantana sy ny miralenta… Ireo no iraisan’ny eo anivon’ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe sy ny ny vondrombahoakam-paritra aty […]
Politika
Fampandrosoana ny kaominina : Hifampizara traikefa ny fikambanana AVCOI
“Sehatra iray nomena an’ ireo ben’ny Tanàna hifampizarana traikefa ny AVCOI”. Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andrianambony Nala Clara Michel, ny amin’ny fivoriambe isan-taon’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina (AVCOI) izay hatao eto Antananarivo, ny 8 sy 9 jolay. Nijoro […]
Depiote Ratsiraka Sophie: “Tsy azo terena ny vahoaka”
Mbola ny raharahan’ny kaominina Antanambao Mahatsara, distrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, ihany… Tsy mety milamina. “Ohatra ny hoe mampihorohoro vahoaka ny ao Vatomandry amin’izao hoe tsy maintsy handray fepetra. Nefa tsy azo terena koa ny vahoaka hanaiky ny olona tsy nofidiny. Tsy fantatra hatramin’izao izay ho vokatr’izany”, hoy ny depiote tsy […]
Minisitry ny Fitsarana : “Mipetraka ny fitokisan’ny Firenena mikambana antsika…”
Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa niakatra avo indray ny voninahitry ny firenena. Nasongadina ny dingana vita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manamarika ny fahatokisana ananan’ny Firenena mikambana (ONU) an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny naha voafidy an’i Tombohavana Fabien ao amin’ny komitin’ny Firenena mikambana momba ny fiarovana […]
FANTINA sy FINTINA
Hitohy any Sainte Marie indray ny filankevitry ny minisitra, mitety faritra. Hotanterahina ny 10 jolay izao izany, araka ny fampahafantarana nataon’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Mitohy amin’ny fanokafana ny “Festival des baleines” izany. Niatrika ny faha-50 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Kaomoro ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny 6 jona teo, […]





