Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpampakateny, Soava Andriamarotafika, fa eo am-pandrafetana ny hanatontosana ny fifidianana ireo ho loholona izy ireo. Natsidiny fa tokony hotanterahina ny novambra amin’ity taona ity izany ary tokony ho tafapetraka ny fiandohan’ny taona 2026 ny mpikambana handrafitra ny Antenimierandoholona. Efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’izy ireo. […]
Politika
Jly Ravalomanana Richard: “Havaozina ny rafitry ny fandriampahalemana”
Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, ny solontena manokana avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), Alice Nzomukunda, omaly. Noresahina tamin’izany ny atrikasa momba ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny lafiny fandriampahalemana sy ny filaminana, kasain’ny UA hatao eto Madagasikara. Niantsoan’izy ireo ny Jly Ravalomanana Richard izany mba […]
Fako sy ny fifamoivoizana: Miara-miasa ny MFFT sy ny CUA ary i Japon
Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny delegasionina Japoney, eo anivon’ny Jica. Anisan’ny niompanan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hijerena ny fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ilay tetikasa lehibe iarahana amin’ny masoivoho japoney ho an’ ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) momba ny […]
Fitantanana: Ho amin’ny tombontsoa iombonana ny politika sy ny fanjakana
Mahabe resaka ny sasany ny hoe politika sy fanjakana; eny, na ny governemanta aza. Indraindray, mila hifangaro be ihany… Inona ny marina? Ho amin’ny tombontsoa na soa iombonana ny hoe politika sy fanjakana. Andrana fanadihadiana… Manondro tanàna voalamina ny hoe politika amin’ny teny grika fahiny. Midika hoe lalàmpanorenana sy olom-pirenena […]
FANTINA sy FINTINA
Mitsidika ny any New Delhi Inde, ireo delegasionina tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nanomboka afakomaly ny fivahinianana any an-toerana ka nihaonan’ny delegasionina tamin’ny mpirakidraharaha eo anivon’ny masoivoho malagasy, Rasamoelina Tahina. Hihaona amin’ireo mpitondra izy ireo aorian’izany. Any New York Etazonia ireo loholona mirahavavy, Ramarosoa Emiline sy Raharinirina Sidonie, amin’izao fotoana […]




