Politika

Fampiakaran-ketra nataon’ny Amerikanina: Mikaro-bahaolana ny governemanta

Manoloana ny fampiakaran’ny Amerikanina ho 47 % ny hetra haloa amin’ny entana avy aty Madagasikara, mijoro ny governemanta. Mandeha ny fitadiavam-bahaolana! Toy ny vara-datsaka ny vaovao, niely manerana izao tontolo izao, omaly! Firenena maromaro no na­moahan’ny fanjakana amerikanina fanambarana mahakasika ny fiakaran’ny hetra. 47 % izany ho an’ny entana avy […]

«Youth Connekt Africa 2025»: Andrasana ny fanaovan-tsonia ofisialy

Nigadona afakomaly tolakandro, tetsy Ivato, ny delega­sionina avy any Kigali Rwanda, izay manomana ny fihaonamben’ny tanora afrikanina na ny «Youth Connekt Africa Summit 2025». Hatao eto Madagasikara, ny 26 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao ny hetsika. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Novotel ny fanaovan-tsonia ny […]

Andron’ny zandarimaria : Nomarihina tamin’ny fanolorana medaly ho an’ny zandary sy sivily

Notontosaina omaly, tao amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary, ny Andron’ny zandarimariam-pirenena eto Antananarivo. Nahitana hetsika mahakasika izany avokoa ny renivohi-paritany rehetra manerana ny Nosy. No­santarina tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ny fotoana. Nisy fanolorana mariboninahi-pirenena sy medaly ho an’ny zandarimariam-pirenena sy ny sivily miara-miasa amin’izy ireo ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fandriampahalemana. Tanjona ny […]

Manamboninahitry ny Acmil: Nizara traikefa ny Jly Ravalomanana

Notontosaina afakomaly, tao amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe, ny lano­nana famaranana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny nivoahan’ny andiany faha-13 “La13”, sady andiany nivoa­han’ny Jly Ravalomanana Richard. Nisy ny tafa sy nampitany ny traikefa amin’ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Acmil tamin’ izany. Teo koa ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo andiany niaraka taminy […]

Fampandrosoana ny kaominina : Manohana ny fitantanam-bola ny ProDecid

Natao omaly, tetsy amin’ny FDL Anosy, ny fivorian’ny Komity mpitantana (COPIL) ho an’ny tetikasa ProDécid. Voatsiahy tamin’izany fa ni­songadina tao anatin’ny dingana voalohany sy faharoa ny fandraisan’anjaran’ireo kaominina, mpiara-miombon’ antoka amin’ny fampandrosoana ifotony mifototra amin’ ny ady amin’ny fahantrana. Na izany aza, voalaza fa mbola miatrika fanamby ara-bola goavana izy […]