Nifarana ny fanisana mpifidy mitety tokantrano. Aiza ho aiza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao? Manazava ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni foibe, Ravalitera Jacques Michaël: “Samy mila saro-piaro amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny tsirairay, fa tsy ny mpanao politika ihany.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’izao fiafaran’ny […]
Politika
VPHM : “Mila ravana ny governemanta”
“Tsy hoe tsy maintsy hatao ny fifidianana, fa ezahina ho vita ara-potoana matoa izahay nametraka ny hoe mila ravana ny governemanta ary hatsangana ny governemanta firaisam-pirenena izay hanehoana fitsitsiana”, hoy ny filoha mpanorina sady filoha mpiara-mitantana ny Vondrona politika hafa miray (VPHM), faritra Analamanga, Rasoamaka James, ny herinandro teo. Hita […]
Fitakiana: mitsipaka fiaraha-mitantana ireo Nosy Malagasy ny Seces
“Anisan’ny mbola fibodoana tany ny tsy famerenan’ ny mpanani-bohitra na ny mpanjanaka azy ireo amin’ ny firenena malagasy. Izay no mahatonga hatrany ny hoe: tsy mitsahatra mitaky ny famerenana an’izay ny filankevi-pirenen’ny Seces, rehefa misy fivoriana”, hoy ny filoha nasionalin’ny Sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), Randriamialinoro Faliarivony, momba ny fitakin’i Madagasikara […]
DFP – Harem-pirenena : “Ilaina ny fikaonandoha”
“Ny hanovantsika fikaonandoham-pirenena: ahoana no hialana amin’ny fitantanana ny harem-pirenena verivery foana, fa 1% no mba tombontsoa ho an’ny firenena? Ahoana koa ny mba tena hananan’ny solombavambahoaka izany fiandrianana izany, fa tsy miandry kolikoly na “malety” fotsiny? Izay no manahirana antsika eto amin’ny firenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny hetsika […]
Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: niaiky ny tsy nahatrarana ny tanjona ny Ceni
Nisedra olana maro. Tsy mbola tratra araka ny namaritana azy ny ezaky ny Ceni, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nifarana, omaly ny fe-potoana nitetezana tokantrano, nanisana ny mpifidy. Maherin’ny 9 tapitrisa hatreto ireo mpifidy voaisan’ny Ceni, tao anatin’ny efa-bolana nanatanterahana izany, raha nanomboka ny volana oktobra teo izany. Tsy tratra […]