Mbola nanamafy ny fampitandremany. Mitohy ny atrikasan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nampahafantarana ireo fepetra sy ny lalàna tokony harahina. Anisan’ny nentin’izy ireo tamin’izany ny fampahafantarana amin’ireo mpirotsa-kofidina sy ny mpanohana azy ary ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fifanolanana momba ny raharaham-pifidianana sy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny […]
Politika
Fizalaotra : hanao tohivakana ny hetsika
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fampahafantarana sy fanokafana ny fankalazana ny faha-45 taona nijoroan’ny Fizalaotra. Nohamafisin’ireo nandaha-teny tamin’izany fa efa mijoro sy amperinasa ny komity mikarakara ity fankalazana ity. Novelabelarina tamin’izany koa ireo hetsika rehetra hotontosaina. Anisan’izany ny fiaraha-mitsangatsangana sy ny fifaninanana samihafa eo amin’ny fanatanjahantena ary […]
Praiminisitra : “Paikady vaovao no iadiana amin’ny tsy fandriampahalemana”
Nidina teny ifotony ny fitondram-panjakana ary nitondra vahaolana. Nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian fa ilaina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fametrahana fandriampahalemana. “Tsy maintsy apetraka ao anatin’ny fotoana fohy ny paikady vaovao entina hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe sy ny distrikan’Ankazobe ary ny manodidina”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, […]
FANTINA sy FINTINA
Manohy ny fomba ratsiny amin’ny fanerena ny mpiasam-panjakana ny mpitondra, araka ny nambaran’ny Solidarité syndicale, ny herinandro teo. “Tahaka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izany ka hatao ny fomba rehetra hampandaniana ny kandidàn’ny laoranjy. Raikitra ny ramatahora sy ny famindran-toerana”, hoy izy ireo. “Mijanona ho fampanantenana poakaty fotsiny ihany ireo […]
VHT : “Aoka tsy ho matin-kanin-kely isika vahoaka”
“Fanorenana ifotony an’i Madagasikara ny an’ny VHT. Satria mitotongana tanteraka ny raharaham-pirenena sy ny fanaovana politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert, amin’ny fisian’ny fanambatambazana vahoaka amin’ny fizarazarana fanomezana na fanampiana mandritra ny fampielezan-kevitra amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao. Ny fifampiresahana no […]




