Politika

Fifidianana depiote : ho vita mialohan’ny propagandy ny biletà tokana

Amperinasa tanteraka. Efa any Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo, ireo kojakojam-pifidianana hatonta. Manao ny ezaka rehetra ny Ceni amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana depiote. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Ceni fa efa atsy Afrika Atsimo ireo teknisianina sy ny ekipan’izy ireo. Manara-maso sy mijery akaiky ny fanontana […]

FANTINA sy FINTINA

Mitsidika ny any Hongrie ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rasata Rafaravavitafika. Anisan’ny voaresaka amin’ny tomponandraikitra any an-toerana ny hiarahana miasa eo amin’ny samy oniversite. Anisan’izany ny vatsim-pianarana mankany amin’ity firenena ity. Eo koa ny hahatongavan’ireo Hongrois mpampianatra hanofana ny momba ny fambolena… Takin’ny CSI ny hanafoanana ny vaomieran’ ny HCJ eny […]

Fifidianana depiote : niantso ny hiarovana ny safidiny ny Kolektifa

Nambaran’ireo kandidàn’ny Kolektifa ho an’ny Mala­gasy eny Avaradrano fa tokony hijoro sy hiaro ny safidiny ny olom-pirenena. Nentaniny ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny zotram pifidianana ny rehetra. Teo koa ny fanentanana hifidy. “Anay sy antsika miaraka avy eo ny tohiny. Hifankahita eto isika raha misy mangala-bato na manodina ny safidim-bahoaka. […]

Fiatrehana fifidianana: hanenjika ny kandidà tsy manara-dalàna ny Ceni

Nilatsaka ny fampitandremana. Hentitra ny fepetra noraisin’ny Ceni amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. “Amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, tsy misy na inona na inona azonay atao amin’ny fanaraha-maso izay ataon’ny mpirotsa-kofidina. Tsy misy lalàna mamaritra ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, mo­mba ny fanaovana […]

Fifidianana depiote eny Avaradrano : hampandany ny kandidà Bota ny TMH

Nambaran’ny Tanora mi­andrandra ny ho avy (TMH), Avaradrano ta­pany A tarihin-dRamanan­te­nasoa Davidanirina Onja­niaina fa hanohana ny kandidàn’ny Irmar, Radafy Thierry na i Bota izy ireo amin’ny fifidianana depiote, ny 29 mey izao. “Nanohana tsy nisy fepetra ny filoha Rajoelina Andry isika nandritra ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo. Fanohizana ny […]