Politika

Filohan’ny HCC : “Voararan’ny lalàna ny fitsikerana didim-pitsarana”

Nampitandrina ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, manoloana ireo resabe tato ho ato. Anisan’izany ny momba ny didy sy ny fanapahana raisin’izy ireo. “Misy ny lalàna eto amintsika, ny And. 126 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana milaza mazava tsara fa tsy azo atao fa mahavoasazy ny mi­tsikera na manaratsy didim-pitsarana”. Io no […]

FANTINA sy FINTINA

Nirarakompana ny fanesorana Prefet sy lehiben’ny distrika, araka ny fanapahana noraisina teo amin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Toamasina, afakomaly. Maherin’ny 20 ny fanendrena olom-baovao ka anisan’izany ny Prefet an’i Tsiroanomandidy, Mana­kara… Ny sefo distrika any Mandoto, Bealanana, Ma­nandriana, Mahabo,Vohibato Mitsipaka ny fanaovana fitaovana politika ny mpiasam-panjakana sy anaovana tsindry […]

Fampahafantarana ny vina : mahazo dimy minitra amin’ny TVM / RNM ny kandidà

“Mialoha ny fampielezan-kevitra, mahazo dimy minitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny kandidà tsirairay hahazoany mampahafantatra ny momba ny tenany na ny antoko misy azy na ny vinam-piarahamoniny ary manentana ny olom-pirenena handray anjara amin’ ny fifidianana”. Io ny fanazavan’ny talen’ny serasera sy ny fanabeazana ary ny fanentanana momba […]

Razanamahasoa Christine : “Tandrovy mandrakariva ny fahamarinana…”

Notanterahina omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, sy ny filoha mpisolo toerana, Rabenirina Jean Jacques. Nisy ny hafatrafatra nifanaovana tamin’izany. Tsotra sy mazava. “Tandrovy mandrakariva ny fahamarinana na hi­hatra aman’aina aza izany”, hoy Razanamahasoa Christine, tetsy amin’ny La­pan’i Tsimbazaza. Nanterin’ity kandidà ho depioten’Ambato­finan­drahana ity koa fa tsy mahafaty […]

Prefet an’i Toliara : laharam-pahamehana ny fandriampahalemana

Nametraka fanamby. Tontosa, omaly, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Prefet teo aloha misahana an’i Toliara, Solondraza Arson Lydor André sy ny Prefet vaovao, Ratovelo Thierry Aubin. Tanjon’ny mpitantana vaovao eo anivon’ny prefektiora ny fametrahana fandriampahalemana mialoha sy ny aorian’ ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany koa anefa ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny […]