“Tsy mikely aina aho mitafa amin’ireo vonona hampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena hafa any ivelany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao Séoul, renivohitr’i Korea Atsimo, ny fihaonana an-tampony Korea-Afrika. Mandray anjara amin’izany ireo filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eto Afrika, miaraka amin’ny tomponandraiki-panjakana […]
Politika
Korea Atsimo : nihaona tamin’ireo diaspora ny filoha Rajoelina mivady
Ao anatin’ny fitsidihana ofisialy amin’ny fanatrehana ny fihaonana an-tampon’i Korea-Afrika, ny 4-5 jona, nataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana ny fihaonana amin’ireo teratany na diaspora malagasy ao an-drenivohitr’i Korea Atsimo, Séoul, omaly. 40 mahery izy ireo ary mianatra ny ankamaroany. Eo ny momba ny tontolo iainana, ny asa vaventy, ny teknolojia… Samihafa […]
Fifidianana depiote : tsy mbola misy minisitra lany na tsy lany izany
Niteraka resabe na iniana hanaovana resabe ny mahakasika ireo kandidà solombavambahoaka ka efa nitazona ny toeran’ny minisitra. Mitovy amin’ny kandidà rehetra izy ireny, miandry ny voka-pifidianana. Misy ny tsara toerana toa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ao Fianarantsoa, Sahondrarimalala Marie Michelle. Toraka izany ny minisitry ny Mponina any Ambositra, Fomendraza. Ity […]
64 taona ny Fahaleovantena: hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity
« Madagasikara Mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”. Io no teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena hankalazaina tsy ho ela izao, araka ny fanazavan’ireo komity mpanomana sy mpikarakara. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny teny filamatra amin’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izao. «Madagasikara […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza hitory ny kandidà Randrianasoloniako Siteny ireo kandidà efatra mpifaninana aminy ao amin’ ny distrikan’i Toliara I. Anton’izany ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fizarana vary sy vola tamin’ireo fokontany, ny andron’ny 28 mey, izay andro fahanginana mialoha ny fandatsaham-bato, araka ny tatitr’ireo kandidà ireo, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa misy […]




