Politika

Filatsahan-kofidina: Mbola ambany ny fan­draisa­na anjaran’ny vehivavy

Anisan’ny tolo-kevitry SADC sy ny OIF ary ny UA, nandritra ny tatitra momba ny fizotran’ny fifidianana ny fampirisihana ny fandraisan’ny vehivavy anjara ao anatin’ny fifidianana. Mbola ambany ny tahan’ny vehivavy ao anatin’ny fitantanana sy fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny raharaham-pirenena, raha ny eto amintsika. Taorian’ny taona 2013, nanaovan’i Mada­gasikara sonia ny […]

Antenimierampirenena : Vao hofaritana ny fandaharam-potoana

“Miverina manomboka ny 6 jona ny fivorianay, hanapaka ny fandaharam-potoana. Ho hita amin’izay ny ho fandehany”, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny Tsimbazaza, omaly. Tsy maintsy tafiditra amin’izany ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024. Toy ny mahazatra hatramin’izay, fotoana fohy dia fohy no omen’ny governemanta hahazoana mijery ny lalàna mifehy […]

Miadana Fabien Privat : “Tokony hiaina fangaraharana koa ny kandidà”

Tsy mampitovy fijery be ihany amin’izao ny fironan’ny voka-pifidianana depiote. Hanao ahoana? Ifandroritana amin’izany ny hoe fahamarinana sy fangaraharana. Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy ny mpikarakara fifidianana ihany no ilana fangaraharana, fa tokony hiaina an’izay koa […]

FANTINA sy FINTINA

Manentana ny rehetra mba hiandry amim-pitoniana ny valim-pifidianana ny kandidà Irmar, Toamasina I, Naharimamy Lucien Irmah. Matoky ny rafi-pifidianana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireo kandidà rehetra matoa mirotsa-kofidina. Mba tsy ho avy amin-dry zareo nosafidin’ny vahoaka no hiavian’ny fanafintohinana, ka hanakorontana saim-bahoaka na ny fiainam-bahoaka. Marobe ny […]

Distrikan’i Sambava: miofana ireo tomponandraikitry ny kaominina

Tanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny 7 jona 2024, ao Sambava, ny fiofanana mahakasika ny tetibolam-pandaharanasa, karakarain’ny minisiteran’ny Fitsinja­ram-pahefana sy ny Fana­jariana ny tany, amin’ny ala­lan’ny « Institut National de la Dé­centralisation et du Déve­loppement Local » (INDDL), tohanan’ny programa Rindra sy ny USAID ary ny Pnud. Tomponandraikitry ny kaominina enina, ao anatin’ny distrikan’i […]