Politika

Antoko Fiombonana : “Misy tsy fahalavorariana matoa misy fitsipaham-pitokisana”

“Rehefa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena, miafara amin’izay fitsipaham-pitokisana izay”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Reto­gniane Durlin, manoloana ny fitsipaham-pitokisana ny go­ver­nemanta nokasain’ny eo anivon’ny Antenimieram­pi­renena hatao fa nandamoka. Matoa misy ny fitsipaham-pitokisana toy izao ary tsy vao izao i Madagasikara no niaina an’izany, misy ny karazana tsy […]

Hopitaly CHRR Ambositra: mitondra ny anaran’ny Dr Ralalaonirina

Niova ho CHRR Ralala­o­nirina Andriantsiferana Ram­panjato nanomboka ny asabotsy 9 desambra teo ny hopitalibe ao Ambositra. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny tale jeneralin’ny Serasera, Raza­fia­rison Francis. Nam­barany ny maha zava-dehibe ny fanomezana anarana na fanavaozana izany amin’ny fotodrafitrasa tahaka izao sy ny fihainoana ny hevitry ny any ifotony. Nivoitra tamin’ny […]

Fanenjehana ireo mpitondra teo aloha: vonona haka fanapahan-kevitra ireo depiote

Tapa-kevitra tanteraka. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny momba ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha. Hanao tatitra amin’ny depiote ny vaomiera miandraikitra ny fa­nen­jehana ireo tsimatimanota eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ) eny Tsimbazaza, ny alakamisy 15 desambra izao. Tapaka tamin’ny fivorian’ireo depiote ny herinandro teo izany. […]

Hetsiky ny ONG Tak: hisitraka fanomezana ireo ankizy maherin’ny telo hetsy

Hanao hetsika fizarana fanomezana ho an’ny ankizy miisa 332 000 ny ONG Teti­kasa ankizy krismasy (Tak). Hahazo izany avokoa ireo faritra 23 manerana ny Nosy. Nankatoavin’ny Filankevi­try ny minisitra, ny alarobia teo ny hampidirana ireo kaontenera miisa 49, tsy andoavana haban-tseranana. Natolotry ny fikambanana Samritan’s Purse any Etazonia. Ahitana kojakojam-pianarana, […]

Depiote Raheriharijaona Regina Clarisse : “Aoka isika ho tony ary tsy hikorontana…”

“Aoka isika tsy hikorontana… Ilaina ny fitoniana. Aleo handeha ny fampandrosoana”, hoy ny depiote, voafidy tao Farafangana, Raherihari­jaona Regina Clarisse, omaly tetsy Anosy. Nohitsiny fa tsy anisan’ireo nanao sonia ny fi­tsipaham-pitokisana ny go­vernemanta ny tenany. Safidy io ary tsy ifanomezany tsiny amin’ireo namany. Na izany aza, anisan’ny mamaritra ny fitoniana […]