“Aleo hifanakaiky, aleo hiara-kiasa” hoy ny Filoham-pirenena, nandritra ny fidinana ifotony nataony omaly. Distrika sy kaominina maro no efa nisitraka izany fidinana ifotony izany. Hitohy hatrany izany ho fijerena ny mararin’ny vahoaka, araka ny nambarany. Tany Vohibato sy Ikongo ary Ivohibe indray ny filohan’ ny repoblika, Rajoelina Andry, no nanatanteraka […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Manameloka ny famoronana Compte fake amin’ny anarany sy misandoka azy ny minisitra Andriantsitohaina Naina, araka ny nambarany tao amin’ ny Facebook. «Ampahatsiahivina hatrany ny tsirairay fa voarara ary mahavoasazy ny mamorona kaonty sandoka amin’ny anaran’olon-kafa’», hoy izy. Mazava ny kaonty ofisialiny: https://www.facebook.com/ AndriantsitohainaNaina?mibextid=ZbWKwL Nankatoavina tetsy Anosy, tamin’ny alalan’ny atrikasa fakan-kevitra, […]
Raveloson Constant : “Tsy toy ny taloha ny politika amin’izao”
“Zavatra hafa izao no mipetraka. Taorian’ny septambra sy oktobra ary novambra nisian’ny “hetsika fotsy” ireny, hafa ny fipetraky ny raharaha. Tsy toy ny taloha intsony izany. Indrindra nohamafisin’ny fanjakan’antoko nanongana ny olom-boafidy izay filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha”. Izay ny fijerin’ny mpamakafaka politika, Raveloson Constant, ny amin’ ny ho fandehan’ny toe-draharaham-pirenena […]
Fampiharan’ny Ceni ny mangarahara : malalaka ho an’ny kandidà ny lisitry ny mpifidy
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa mampihatra hatrany ny mangarahara izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny lisitry ny mpifidy. “Misokatra amin’ireo kandidà depiote ny lisitry ny mpifidy, nofaranana ny 15 mey teo”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nambarany fa azo atao ny maka izany saingy tsy maintsy […]
Rajoelina Andry: « Laharam-pahamehana ny famerenana ny tany ho an’ny vahoaka »
Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony, tao amin’ny distrikan’ Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fihainoana ny mararin’ny vahoaka, fanatanterahana ireo fanamby napetraka ary fitokanana fotodrafitrasa no nandravaka ny fandaharam-potoanan’ny fitsidihana. Anisan’ izany ny fizarana karatany sy ny fitokanana ny tobim-pahasalamana ao an-toerana. Ao anatin’ny fanambin’ny fitondram-panjakana, mandritra izao […]




