Politika

FANTINA sy FINTINA

“Tsy mbola hita soritra hatramin’izao ny fanovana nirintsika. Ny mpitondra no niova fa ny hadisoana sy ny fanao tsy mety miverina hatrany”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa manamarika ny tantara tokoa ny 13 mey. Tsy tokony ho kivy anefa fa antony hanohizana ny ady amin’ny fanovana izany. “Hatsahatrintsika amin’ny 29 […]

Fihoaram-pefy amin’ny fampielezan-kevitra : nentanin’ny Ceni hitoroka ny olon-tsotra

Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, fa efa maromaro ny fitarainana voaray avy amin’ny kandidà, manoloana ny tsy fanarahan-dalàna hitan’ny sasany amin’izany. “Entanina koa isika olom-pirenena hanao izany raha mahita tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy amin’izao fampielezan-kevitra izao”, hoy izy, teny Alarobia, omaly. Nanteriny fa tsy mbola naka fepetra aloha […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Misy ny fifampiraharahana hamerenana ny volamena 73 Kg”

«Misy ny fifampiraharahana eo amin’ny fanjakana afrikanina tatsimo amin’ny fanohizana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny famerenana io volamena io», hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavi­tafika, tamin’ny mpanao gazety teny Anosy, omaly, ny amin’ny volamena 73 Kg avy aty Madagasikara tratra tatsy Afrika Atsimo, efa-taona lasa. Miara-misalahy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana […]

FANTINA sy FINTINA

Nametraka fehezam-boninkazo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly, ireo zokiolona mpikambana eo anivon’ny Hetsiky ny 13 mey. Tsy nahazoana alalana izany ka napetraka amin’ny toerana hafa eo Analakely, noho ny mpitandro filaminana efa niatrana manoloana ny Lapan’ny Tanàna. Hamory ireo solontenan’ny vondron’antoko mandray anjara amin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ny […]