Samy efa nampahatsiahy ny HCC sy ny Ceni fa tsy azon’ny mpiasam-panjakana atao ny miandany na mitanila amin’ny kandidà. Tsy azon’ny eo anivon’ny Ceni atao koa anefa ny mitanila amin’ny kandidà. “Efa vita ny fanofanana teny anivon’ny Ovec, ary nivoaka ny lisitry ny kandidà ho depiote. Amin’ izao fotoana izao, […]
Politika
Fifidianana depiote Toamasina I : samy nentina am-bavaka ny propagandy
Mandeha ny fampielezan-kevitra. Samy manao izay paikady enti-mandresy lahatra ny mpifidy ny rehetra. Ho an’i Toamasina I, fotoam-pivavahana no nanombohana izany. Efa naneho tamin’ny fomba maivamaivana ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ireo kandidà efatra amin’ireo dimy mifaninana eto Toamasina I. Tsy mbola tazana kosa ny kandidà iray fahadimy na mbola eo am-pandrafetana […]
FANTINA sy FINTINA
Maromaro ireo tomponandraiki-panjakana ambony nesorina noho izy ireo kandidà depiote, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra. Anisany ny kaonsily atsy La Reunion, i Tinoka Roberto, sy ny eo amin’ny BNGRC, Raholinario Paolo. Ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Savatsaraha Raby ary ny filohan’ny oniversiten’i Toliary. Resy teny amin’ny fitsarana miady amin’ny […]
MASOIVOHO AMERIKANINA : manentana propagandy tsy misy herisetra
Namoaka fanambarana amin’izao hiatrehina ny fifidianana solombavambahoaka izao ny masoivoho amerikanina. Tafiditra ao anatin’izany ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. “Raisinay ho porofon’ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao. Zava-dehibe ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka sy ara-drariny ary am-pilaminana”, hoy ny fanambarana. Nanentana ny vahoaka malagasy koa izy ireo mba handray […]
Fampielezan-kevitra : mila manaja ny tsy fiandaniana ny mpiasam-panjakana
Voararan’ny lalàna ny fitanilan’ny mpiasam-panjakana amin’ny fanomanana fifidianana. Mila miala amin’ny andraikiny izay te hanao fampielezan-kevitra. “Anjaranay ny mampahatsiahy ny tokony hanajana ny tsy fiandaniana. Ny mpiasam-panjakana dia an’ny vahoaka, tsy misy ny hoe tsy maintsy mankatsy na mankaroa”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao. […]




