“Tokony hahay handray olona sy hanome fahafaham-po azy ireo isika… Ilaina koa ny lenta sy ny kalitaon’ny asa sy ny didim-pitsarana”, hoy izy. Niantefan’izany avokoa na ny mpitsara sy ny mpandraharaha na koa ny “bénevole” sy ny mpandraharahan’ny fonja. Nentaniny hatrany ny rehetra hanafaingana ireo raharaha tonga eny anivon’ny fitsarana. […]
Politika
Sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery : “Misy kandidà misandoka ho natolotry ny Irmar…”
Hentitra ary nahitsy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, omaly. Nambarany fa misy mitonona ho kandidà mpanohana ny fitondrana nefa tsy Irmar akory. “Tsy misy kandidà depiote mahaleo tena izany ka manohana sy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Ireo nahazo ny tsodranon’ny foibe ihany no kandidàn’ny Irmar sy natolotra ary nankatoavin’ny filoha […]
Fiatrehana ny fifidianana : mbola mitaky ny hanadiovana tokotany ny MFM
Tsy mivaona amin’ny efa nambarany. Nambaran’ ny mpikambana MFM, Ravaoholisoa Hanitra, mbola mijoro amin’ny foto-keviny izy ireo, manoloana ny raharaham-pifidianana. “Tsy maintsy diovina aloha ny tokotany”, hoy izy. Anisan’ny efa notakin’izy ireo hatramin’ny herintaona ny hanesorana amin’ny toerany ireo mpikamban’ny Ceni sy ny HCC. Tsy tanteraka izany ka antony tsy […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mbola very fanantenana ny filoha Rajoelina ny amin’ny fitakiana ireo nosy malagasy eo an-tanan’i Frantsa, araka ny nambarany tamin’ny gazety Paris Match, ny herinandro teo. Nanteriny fa hiverina hitohy indray ny dinika eo amin’ny roa tonta ato ho ato ho amin’ny fifampiraharahana momba izany. Takin’ny Otrikafo ny hanoneran’i Frantsa […]
Rabekijana Félix: “Tsy mety ny fanalana lehibem-pokontany “
“Maninona no misy lehiben’ ny fokontany soloina amin’ izao? Na tomponandraiki-panjakana afindra toerana na soloina… Nefa ankatoky ny fifidianana izao. Tsy manakana ny fanalana na fanoloana mpiasam-panjakana izahay. Fotoana mahamety ny fanaovana an’izay ve izao?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix, manoloana ny fanalana […]




