“Raha ny tokony ho izy, ny 15 desambra ka hatramin’ny 15 janoary ny fialan-tsasatry ny fitsarana. Tsy araka ny filazana azy ny fialan-tsasatra hoe ndeha hikatona ny fitsarana ary handeha hitsangantsangana ny mpitsara”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Anosy, afakomaly, momba ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsarana amin’izao famaranana […]
Politika
Depiote Voninahitsy : “Tsy ilaina ny valifaty politika”
“Saika ireo olona amin’ny fitondrana teo aloha io enjehina io. Nefa mihoatra noho ny ataon’ny minisitra sasantsasany fa tsy izy rehetra amin’izao fotoana izao izany. Maninona raha atao an’izay koa izy ireo? Raha tsy izany, valifaty politika hatrany no iainantsika eto Madagasikara”, hoy ny depiote, i Voninahitsy Jean-Eugène, momba ny […]
“Raharaha volamena 73,5 Kg” : andrasana ny fampodiana ireo voampanga
“Efa nisy fangatahana nataon’ny fanjakana malagasy amin’ny fampodiana an’ireo voampanga aty an-tanindrazana, ary aty ry zareo no mamita ny saziny. Toy izany koa ny volamena, efa misy fangatahana ny fampodiana azy ireo aty Madagasikara”. Io ny fanazavan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), […]
RMDM: mitaky ny hamoahana ireo gadra politika
Avo feo ny eo anivon’ny fanoherana. Nambaran’ny eo anivon’ny RMDM, tetsy Bel Air, omaly fa tokony hatsahatra tsy misy hatak’andro ny fisamborana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. «Atsaharo izany ary avoahy ato anatin’ny fotoana fohy ireo nogadraina noho ny resaka politika», hoy izy ireo. Notanisain’ny RMDM ho anisan’izany ny […]
Loholona Besoa Erick : “Manohana antsika i Etazonia”
Anisan’ireo niatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy i Afrika, natao tany Washington DC ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, i Besoa Eric ny herinandro teo. Nambarany fa nahavelom-bolo ny fihaonana. “Vonona hanatsara sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Afrika i Etazonia, indrindra fa amin’ireo tena laharam-pahamehana iraisana maneran-tany”, hoy izy. […]