Politika

Minisitra Andriantsitohaina Naina : «Tanjona ny hahatokisan’ny vahoaka ny fanjakana mpitantana »

Minisitera mitondra fanovana lehibe amin’ny fomba fiasa ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Maro ny vinan’asa, misy ny paikady hanatrarana izany. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny biraon’ny « Fonds de développement locale » (FDL) Anosy, omaly, ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. […]

Antoko Monima: “Tsy tanteraka ny fitakiana tamin’ny 2009”

Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo fahatsiarovana ny faha-15 taonan’ny 7 febroary tetsy Antaninare­nina ny eo anivon’ny Monima, omaly, amin’ny alalan’ny mpitarika, i Monja Roindefo. Nambarany fa mbola mijoro hatrany izy ireo hatramin’izao. “Tsy misy tanteraka ny tolona sy ny fitakiana tamin’izany”, hoy izy. Notanisainy ny tsy mbola fipetrahan’ny demokrasia mivantana eo amin’ny […]

Randriamasinoro Ny Rina: « Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana »

Nitondra fanazavana sy fanentanana mahakasika ny maha zava-dehibe ny fisora­tana sy fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana, Randriamasinoro Ny Rina, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara (Tim), omaly. “Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidinana, ahafahana manintsy amin’ny ampahany izany lisitra izany. Io lisitra io izay nahitana tsy fahatomombanana maro nandritra ny […]

Filoha Rajoelina Andry: “Tsy azo ekena ny fifamonoana noho ny hevitra tsy mitovy”

Nomarihina omaly, tetsy Antaninarenina, ny faha-15 taonan’ny “Raharaha 7 febroary 2009”. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’izany, fa nanamarika ny tantara izany noho ireo lavo teo amin’io toerana io. Notsiahiviny tamin’ny lahateniny ny hikiaka sy taraina ary ny alahelo sy tomany tamin’izany fotoana izany. Niainana ny fitiavan-tanindrazana tao am-po ka nankaherezany […]

Depiote Rajoelina Seth : “Mety na hatambatra na sarahina ny fifidianana”

“Manaiky izay fanapahan-kevitra fantatra fa hahasoa ny firenena izahay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD voafidy tany Fianarantsoa I, Rajoelina Seth, momba ny fiatrehana fifidianana. Na hatambatra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna sy ny fifidianana de­piote na halefa tsirairay na mitokana, mety izay fanapahan-kevitra mivoaka eo. Satria matoa […]