Politika

Fampandrosoana : manampy ny tantsaha ny Zazamanga

Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny Zaza­manga, Rakotondravao Sarobidy, fa misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra sy eny an-drenivohitra izy ireo. “Betsaka ny dingana efa natao fa tanjona ny hivoaran’ireo mponina mba ho afaka hamokatra sy hahavelona ny tenany, amin’ny alalan’ ny fambolena sy fiompiana”, hoy izy. Anisan’ny misitraka izany ny kaominin’Ambato, distrikan’Ambohidratrimo. Nanampy […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Mila vahaolana ny tsy fandriampahalemana”

“Ny hita sy tsapa dia mihamahery vaika hatrany ny fivoaran’ny tsy fandriampahalemana. Mirongatra ny fakana takalon’aina. Eo koa ny fanapahan-doha. Fanapahan-ta­nana indray aza amin’izao fotoana izao, ary amoizana aina izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Raza­nama­hasoa Christine, namarana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimieram­pire­nena, teny Tsimbazaza, oma­ly. Eo ny fikaikaikan’ny olona amin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Mandroso isika, vita ny fotodrafitrasa”

Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany Moramanga ny filoha, Rajoelina Andry, omaly. Nambarany fa vonona hampandroso ny firenena ny tenany. Notsiahiviny fa anisan’ny nahazoany fandresena amin’ny taha 70% tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tany an-toerana. Nankasitrahany ny vahoaka tamin’izany ary nambarany fa nankinina tamin’Andriamanitra iny fifidianana iny. Tanteraka izany rehefa nankinina taminy ny […]

Governora faritra Analamanga : “Olona diso lalana izay mitaona fitokonambe”

“Tena diso lalana ireo”, hoy ny fanehoan-kevitry filoha nasionalin’ny antoko TGV, faritany Antananarivo, sady governoran’ny faritra Anala­manga, Rasoamaromaka Hery, teny Antaninarenina, omaly, ny amin’ny Antenimi­eran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM), izay milaza hitarika vahoaka amin’ny fitokonana faobe ho amin’ny fitondrana Tetezamita ha­nanganana fanjakana tena malagasy. Tsy fidinana an-dalambe na fitokonambe na fananganana […]

Ady amin’ny kolikoly: hisy ny paikadim-pirenena vaovao

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra notarihin’ny filoha Rajoelina teny Iavolo­ha, afakomaly, ny firosoana amin’ny famolavolana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) vaovao. Mamarana ny taona fampiharana ny paikady nandritra ny 10 taona i Madaga­si­kara ankehitriny (SNLCC 2015-2025). Fotoana lavalava ny famolavolana ny paikady, izay andraisan’ny rehetra anjara toy ny sehatra miankina na […]