“Ho anay, efa nisafidy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana fa mahazo manohy ny asany ny ben’ny Tanàna amin’izao fotoana izao. Anjaran-dry zareo ny misafidy izay fifidianana hatao mialoha”, hoy ny mpiandraikitry ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, momba ny fiatrehana fifidianana. Iny navoakan’ny Ceni […]
Politika
Kolektifa an’ny Malagasy : « Mitady vahaolana izahay »
Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Hotel Louvre Antaninarenina, ny fijoroan’ny Kolektifa an’ny Malagasy. Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety no nampahafantarana izany. Araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ity vondrona ity, ny “Collectifs des Candidats” no nivadika ho Kolektifa an’ny Malagasy. Tsy an’ireo kandidà nilatsa-kofidina ho filoham-pirenena intsony izany fa natao […]
Rajoelina Andry: hihamafy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Arabo Mitambatra
Firenena anisan’ny fakan-tahaka ny firenena Emirats Arabe Unis, indrindra eo amin’ny lafiny fandrosoana. « Mpiara-miasa manana fahaiza-manao, tsara kalitao sy manana traikefa no miaraka amin’i Madagasikara ho amin’ny fandrosoana haingana sy maharitra », hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Omaly no nandray fitenenana, nanoloana ny mpandray anjara amin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany ny […]
Fifidianana : vonona haka toerana maro ny TGV Atsimondrano
Hatao amin’ity taona 2024 ity ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny ho solombavambahoaka. Nanao fihaonana teny Andoharanofotsy, ny alahady 11 febroary teo, ny mpikambana ao anatin’ny antoko TGV distrika Atsimondrano. Nitarika ny fotoana ny solombavambahoaka, Ratsivahiny Andry, notronin’ny ben’ny Tanàna ary ireo mpitarika antoko isaky ny kaominina sy ny mpikambana […]
MMF : “Ny fihavanana no hahatafavoaka”
Mijoro ankehitriny ny Malagasy miray hina ho an’ny fampandrosoana (MMF), tarihin’ny filohany, Chadly Wander Assany. Nisy ny fihaonana nataon’izy ireo tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, omaly, ho fanamafisana ny firaisankina eo amin’ireo mpikambana, raha ny fanazavan’ity filoha ity, mahakasika ny hetsika izay ataon’izy ireo ny 3 marsa izao any Toamasina. Ho […]




