“Manan-danja araka ny lalàna ny fianianana”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritanin’Antananarivo, Raholdina Naivo, ny amin’ny fianianan’ireo mpikamban’ny governemanta mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany. Niteny ry zareo hoe vonona hiaina amin’ny lalàna. Rehefa niteny ny tena hoe sazina raha manao an’izao na izatsy. Raha tratra tokoa ny tena […]
Politika
Andriantsitohaina Naina: “Ny vahoaka no tena hifantohantsika”
“Miara-miasa, miasa mafy sy haingana”, hoy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, nandritra ny famindram-pahefana taminy. Laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fanambin’ny Filoham-pirenena. Nandray ny fahefana amin’ny maha minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany azy Andriantsitohaina Naina. Tontosa, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy […]
Soalihy Moussa : «Mila mahay maka lesona ny mpitondra»
“Marina tokoa hoe nanomboka tamin’ny 1991 no ho mankaty, tsy nisy filoham-pirenena nahavita ny fe-potoam-piasana faharoa. Mila mahay maka lesona izany ny mpitondra, jerena ny hoe: inona tokoa no nahatonga an’izay hoe fe-potoam-piasana faharoa somary marefo izay?”. Io ny fijerin’ny mpandinika raharaham-pirenena, i Soalihy Moussa. Tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana, ohatra, […]
Minisitra Razakaboana Hanitra : “Hodiovina ny asam-panjakana”
Nandray ny asany, omaly, taorian’ny famindram-pitantanana ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehana. “Maika ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny asam-panjakana, araka ny efa nambaran’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanadiovana amin’ny fidirana eo anivon’ny asam-panjakana. […]
Rakotovao Rivo : « Ho maro ny ben’ny Tanàna mety higadra »
“Tena ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna izao ny tsy mbola anaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Ho be dia be indray ny ben’ny Tanàna mety higadra, fa teren’ny mpiara-monina amin’ny fanapahan-kevitra”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo. Fanambarana nataony manoloana ny tsy mbola fahatanterahan’ny fifidianana ben’ny […]




