Politika

Ny Jly Ramakavelo Desiré: “Tena tsy milamina ny fiarahamonina eto amintsika”

Nitondra ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena sy ny trangam-piarahamonina amin’izao fotoana izao ny Jly Ramakavelo Desiré. Nambarany fa betsaka ny anton’izany. Hentitra sy nahitsy ity manamboninahitra mi­so­tro ronono ity. “Tena efa tsy mifampatoky intsony isika. Tsy milamina ny fiarahamonina ary tsy afaka mifampiraharaha araka ny fifampifehezana ny vahoaka sy ny […]

Antoko Marina : “Mila atao ny fifidianana lehiben’ny faritra”

“Mbola ao anatin’ny La­làmpanorenana ny faritra. Tsy mbola misy fanovana izany. Noho izany, tokony hofidina amin’ity taona ity izay hitantana ny Faritra”, hoy ny faneho­an-kevitry ny filoha nasionalin’ ny antoko Marina, Ranaivoson Désiré, momba ny fiatrehana fifidianana. Tokony hotaperina ny taona 2024 ny fotoam-pifidianana. Mba tena asa fampandrosoana no hatrehin’ny […]

Fitantanana ny kaominina : naka ny hevitry ny HCC ny Praiminisitra

Saika tapitra tamin’ny 10 janoary lasa teo avokoa ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna amin’ireo kaominina 1 695 manerana an’i Mada­gasikara. Inona no hatao? Araka ny loharanom-baovao azo antoka, naka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anisan’ny fanontaniana amin’izany ny hoe: […]

Rakotoson Andriamiraho Hoby : “Tsy ampy ny tetibola hanentanana ny olom-pirenena amin’ny Rale”

Mby aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) amin’izao? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily miantsehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny fikambanana ny Angady, Rakotoson Andriamiraho Hoby. Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ny fahitanareo ny Rale amin’izao? Rakotoson Andriamiraho Hoby (-): Fampidirana ny anaran’ireo vao feno taona sy izay […]

Rabary Paul : “Mitondra vahaolana haingana ny sekretariam-panjakana”

“Tena vahaolana ny hi­sian’ny sekretariam-panjakana, fa mavesatra ny minisitera samihafa : misy fitaovam-pitantanana mila ahodina, mpiasam-panjakana mila ofanina sy ampirisihina izay mi­sandrahaka manerana ny Nosy…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’izao. Indraindray apetraka ny fanamby sy ny baiko ary […]