Politika

Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent: “Nahazo fandrahonana izahay tamin’ny fifidianana…”

Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, nanoloana ireo mpiara-miombona antoka fa henjana ny nahazo azy ireo tamin’ny fifidianana farany teo. Na izany aza, niezaka nijery ny tombontsoam-pirenena ireto mpitsara avo ireto, araka ny nambarany. “Nahazo fandrahonana mivantana na ankolaka izahay tamin’ireny fifidianana ireny… Teo koa ny tsikera samihafa saingy tsy natao […]

Fiahiana sosialy: nanampy ny seminera ny Hiaraka isika

Mitohy hatrany ny asa sosialy ho fanampiana ny mpiara-monina. Namaly ny antso avo nataon’ ny pretra Herivonjilalaina Orthasie Mar­cellin, rektoran’ny seminera ao amin’ny St Francois de Sales, Analamazaotra Toa­masina, ny antoko Hiaraka isika. Nitondra anjara biriky tamin’ny fitsofandrano ny andiany voalohany hivoaka ho diakra ny 4 febroary izao ity antoko […]

Fampandriana fahalemana : manamboninahitra nanaraka fampiofanana ho mpampiofana

Nanatanteraka fampiofanana ho mpampiofana (formation de formateurs) teny amin’ny toby fiofanana Langaina ireo manamboninahitra 13 eo anivon’ny Tafika an-tanety, nanomboka ny 15 janoary ka nifarana ny sabotsy 20 janoary 2024 teo. Ireo manamboninahitra voafantina mandrafitra ny Ta­fika an-tanety manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity. Ny fanatrarana ny […]

Fididianana : tsy hanaiky famitahana intsony ny TGV

“Tamin’ny 2018 izahay no mety voafitaka”, hoy ny sekretera nasionaly faritany Anta­nanarivo, Rasoama­romaka Hery, teny Ambohidahy, oma­ly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy ny depiote. Na kandidà niaraka tamin’ny TGV aza tamin’izany, any amin’ny toerana fahadimy na fahatelo tamin’ny voka-pifidianana. Amin’izao kosa, tsy ho voafitaky ry zareo intsony fa […]

Filankevitry ny minisitra : hotendrena rahampitso ireo sekreteram-panjakana miisa 9

Hotendrena amin’ny filankevitry ny minisitra rahampitso ireo sekreteram-panjakana miisa sivy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Hisy ny fanovana samihafa amin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa efa vita ny herinandro lasa teo ny nanaovana tombana ireo nahafeno ny fepetra rehetra, taorian’ny fandalovana amin ‘ny sivana farany, mialoha izao fanendrena izao. Hany sisa […]