Politika

Razanamahasoa Christine : nanotrona azy hatrany ny masoivoho malagasy ao Paris

Tsy marina ny filazana fa tsy noraharahian’ny ambasady malagasy ao Paris ny delegasiona notarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Efa iray volana mialoha no nanomanana ny fikarakarana rehetra. Nitondra fanazavana momba ny fivahinianan’ny filohan’ny Anteni­mi­erampirenena, Razanama­hasoa Christine tany Fran­tsa, ny masoivoho ao Paris. Nambaran’ny eo anivon’ny ambasady fa teo hatrany ny masoivohon’i […]

Hetsika Tokobe : nanamafy firaisankina ny Zanak’Isandra

Nanatanteraka ny hetsika Tokobe tao Isorana ireo Zanak’Isandra, ny herinandro teo. Fotoana nanamafisan’izy ireo ny firaisankina. Vory lanona tao an-drenivohitry ny distrika ny solontenan’ny fokon­tany 104, mandrafitra ny kaominina 13 any an-toerana. Nanatrika ny hetsika Tokobe, notonto­saina ny faran’ny herinandro, izy ireo. “Porofoin­tsika fa mandala ny firaisan­kina sy ny fihavanana […]

Famoronana distrika: “Matahotra tsy hahazo maro anisa ny mpitondra”

Naneho ny heviny momba ny famoronana distrika vaovao, ny filoha nasionalin’ny Otri­kafo, Rabevahiny Elia. Nam­barany fa tafiditra anatin’ny kajikajy politikan’ny mpitondra fanjakana, izay mitady ny maro anisa eo anivon’ny Ante­ni­mi­erampirenena izany. “Manao ny fomba rehetra hahazoana an’izay ry zareo. Anisan’izany io fanokafana ny distrikan’An­tanimora Atsimo io”, hoy ha­trany izy. “Tamin’ny […]

Vovonana Firaisankina : “Tsy azontsika ekena ny fandikan-dalàna”

Efa anatin’ny fampahafantarana tsikelikely ireo ho kandidà hiatrika ny fifidianana depiote ny vovonana Firaisankina, ahitana ny Tim, HVM, APM ary ny Tsaratahafina. Nohitsin’izy ireo tamin’izany ny tsy fanarahan-dalàna. Nambaran’ny filoha mpi­ara-mitantana ny Vovo­nana, Ravalomanana Marc, tamin’ny faran’ny herinandro, fa mbola misy ny tsy fanarahan-dalàna. Roa herinandro mialoha ny fametrahana dosie […]