Politika

Raharaha “Kaominina Talata Volonondry” : Miantso ny filankevi-panjakana ny depiote Avotra

Manaitra ny fanjakana mba tsy hanaotao foana ny depioten’Avaradrano, Andria­mosasoa Avotra, oma­ly. “Sao ho singam-bolo handavo ny vositra ity raharaha ity. Miantso ny fitsarana sy ny filankevi-panjakana ihany koa mba hitsara am-pahamarinana sy am-pilaminana”, hoy izy. Nanteriny fa efa hita hatrany am-boalohany ny fanehoan-kevitry ny vahoakan’i Talata Volonondry tamin’ny alalan’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : « betsaka ny asa vita, maro ny miandry »

Nitarika ny filankevitry ny minisitra tao Nosy Be, omaly, ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany fa handehanana any amin’ny fampandrosoana izao fidinana ifotony izao. Nambarany fa natao hijerena ifotony ireo asa efa vita izany, fa eo ihany koa ireo mbola tokony hotontosaina anatin’ny fampandrosoana izao […]

Kaominina ambonivohitra Toamasina : Hanatanteraka ny fanamby ny ben’ny Tanàna

Tsy hihemotra amin’izay efa tapaka sy fanamby nataony tamin’ny vahoaka ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, ny mpahay lalàna Alain Andriafa­nomezantsoa, sy ny ekipany. Tato ho ato, nasehony tamin’ny fandraisany andraikitra ny fitazonana ny teny nataony. Tsy maintsy sokafana ny lalampasika rehetra izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina mba hitsinjovana […]

Fidinana ifotony MFFT: Hofanina ireo mpitantana ny biraon’ny fananan-tany

Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny zo hanana tany eto Madagasikara, iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nidina ifotony ireo mpiasan’ny minisitera amin’izany. Hifarana anio, rehefa nanomboka afakomaly, ny fanofanana ny ekipan’ny fitaleavan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eo anivon’ny MFFT any Maevata­nàna sy Mahajanga […]

Kandidà sy delegen’ny Avi: Mitsipaka ny voka-pifidianana

Mbola nanamafy ny kandidà sy ny delege miara-dia amin’ny Avi, avy any Andria­mena Tsaratanàna, fa mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tany an-toerana. Naneho ny alahelony izy ireo tamin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny biraom-pifidianana miisa 4 sy ny fahatratrarana hosoka. Efa lany tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny kandidàn’ny Avi, Rakotoarivony […]