Politika

Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”

“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay […]

Raboanarijaona Holijaona: “Ilaina ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana”

Namaly ireo tsikera samihafa momba ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny mpomba ny fitondrana. Nambaran-dRaboanarijaona Holijaona fa efa mazava ny momba izany. “Raha tsy misy ny fa­hamarinan-toerana, tsy misy ilay fom­ba fitenin’ny filoha Rajoelina hoe tsy maintsy mandroso i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny fikambanana Emergence de Madagascar, Raboanari­jaona Holijaona, manoloana ny […]

Hosoka tamin’ny fifidianana : mitaky fanadihadiana ny fanjakana amerikanina

Nanao fanambarana ny mpitondra tenin’ny departemantam-panjakana amerikanina, i Matthew Miller, manoloana ny fifidianana farany teo. Miantso ny Ceni izy ireo hamaha ireo olana niseho. Takiny koa ny governemanta hanadihady amin’ny antsipiriany ireo tsy fahatomombanana sy ireo voalaza fa hosoka. “Tokony hirosoana ny fanavaozan-drafitra samihafa navoitran’ireo mpanara-maso ny fifidianana malagasy sy […]

Mpianatra Androy : “Avoahy ny Kly Randrianirina Mickaël”

Nanao fanambarana ny fivondronan’ny mpianatra teraka Androy (Fizatampioto) eo anivon’ny oniversiten’i Toliara, ny faran’ny herinandro teo. “Takinay tsy misy hatak’andro ary tsy misy fepetra ny hamoahana ny raiamandreninay, terak’An­droy, ny Kly Randrianirina Mickaël. Manome 48 ora izahay ho famoahana azy amin’io toerana tsy mendrika azy io. Handray fepetra hentitra izahay […]