Namoaka fanambarana ireo avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ahitana ny avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny solontenan’ny Frankofonia (OIF), ny masoivohon’i Alemaina, Korea, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni ary i Soisa. Nankato ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC avokoa izy ireo. Na izany aza anefa, niantso ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izy ireo hitondra […]
Politika
Rajoelina Andry : voafidy ho filohan’ny Repoblika indray
Voafidy fanindroany ho filohan’ny Repoblika indray ny kandida Andry Rajoelina. Nahazo vato 58,96% tamin’ny fihodinana voalahany izy. Fianianana sisa andrasana. Efa nampoizina. 58,96% ny salanisan’ny vato azon’ny kandidà lah.3 “Ambara fa voafidy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany Rajoelina Andry”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana […]
Rabary Paul : “Notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana ny fifanolanana politika”
“Notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana ny adihevitra politika rehetra mety nampifanolana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny fifidianana. Anisan’ny nampifanolana ny hoe: tokony hitondra firenena ve ny olona manana zom-pirenena hafa? Eo koa ny fitsarana ny amin’ny fitantanan’ny filohan’ny Repoblika: neken’ny vahoaka. Faharoa: inona ny […]
Lanonana etsy Ambohidahy : mety hanamafy ny voka-pifidianan’ny Ceni ny HCC
Hotanterahina anio, etsy amin’ny HCC, ny lanonam-panjakana famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena. Tsy hiova firy amin’ny efa navoakan’ny Ceni ny hambaran’ireo mpitsara avo na eo aza ireo tsy fahatomombanana sy fitoriana. Hisongadina eo amin’ny tapany voalohany amin’izany ny fitanisana ireo fitoriana na fitarainana miisa 15, arahin’ny valin’izany, ho entin’ireo mpitsara. Samy […]
Kandidà Andry Rajoelina : “Fandresen’ny vahoaka malagasy ny fandreseko”
Naneho hevitra tao amin’ ny pejy “Twitter” ny kandidà Andry Rajoelina, omaly, ary nanamafy ny efa nambarany tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika, navoakan’ny Ceni, farany teo. Nambarany tamin’ izany fa tompon’ny fahefana ny vahoaka. “Noporofoinareo izany satria zava-dehibe loatra ny fanajana ny safidin’ny tsirairay. Fandresen’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fandresena azoko”, hoy […]




