Politika

Fiketrehana fanakorontanana : handray fepetra hentitra ny Emmo/Nat

Nanao fanambarana ireo lehiben’ny Emmo/Nat amin’izao hiatrehana ny famoahana ny voka-pifidianana izao. Tsy hanaiky ny mety ho fanakorontanana ny mpitandro filaminana. Nambaran’ny lefitry ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika misa­hana ny hetsika ara-miaramila, ny Jly Andrianasimanana William, omaly, fa tsy azo ekena ny endrika fanakorontanana amin’izao hamoahan’ny HCC ny vokam-pifidianana izao. “Fotoana […]

HCC: 15 ny fitarainana voaray

15 ny antontan-taratasin’ ady voaray fa avy amin’ny kan­didà roa sy ny mpanohana azy: ny lah. 3 Rajoelina Andry sy ny lah. 13 Randrianasolo­niaiko Siteny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ranesa Firiana, teny Ambohi­dahy, omaly, momba ny voka-pifidianana. Fito andro ny voalazan’ny lalàna tokony […]

Fotodrafitrasa eny ifotony: hahazo birao ny faritra Ambatosoa sy Vatovavy

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny mini­sitra teny Mahazoarivo, afakomaly, ny fametrahana vokatra na “Produit” sy toerana na “Localité” vaovao eo anivon’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Tafiditra amin’ny famindrana sorabola anaty fandaharanasa “Aménagement de crédit” ahafahana manorina ireo birao ho an’ny faritra Am­batosoa sy ny any Vato­vavy izany ary […]

Rajaonarison Sendra : “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena”

Ahina sy voizin’ny sasany hatrany ny hoe mety hisian’ny krizy politika aorian’ny fifidianana. Mahabe adihevitra… Maneho ny fijeriny ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ONG Zoako, Rajaonarison Sendra: “Aleo mba hilamina sy handeha ny fiainam-pirenena amin’ny fandraisana izay filohan’ny Repoblika vaovao voafidy eo”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanareo mpanara-maso ny fifidianana teo? […]

Tetibolam-panjakana 2024 : lohalarana ny fanatsarana ny sosialy

Mitotaly 12 706 miliara Ar ny fitambaran’ny tetibola ho an’ny taona 2024. Voafaritra ao anatin’izany ny fampandehanan-draharaha amin’ny an­kapobeny sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabariniri­narison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fivoriambe tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny famelabelaran-kevitra amin’ ny ankapobeny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola […]