Politika

“Raharaha volamena 73,5 Kg” : andrasana ny fampodiana ireo voampanga

“Efa nisy fangatahana nataon’ny fanjakana malagasy amin’ny fampodiana an’ireo voampanga aty an-tanindrazana, ary aty ry zareo no mamita ny saziny. Toy izany koa ny volamena, efa misy fangatahana ny fampodiana azy ireo aty Madagasikara”. Io ny fanazavan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), […]

RMDM: mitaky ny hamoahana ireo gadra politika

Avo feo ny eo anivon’ny fanoherana. Nambaran’ny eo anivon’ny RMDM, tetsy Bel Air, omaly fa tokony hatsahatra tsy misy hatak’andro ny fisamborana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. «Atsaharo izany ary avoahy ato anatin’ny fotoana fohy ireo nogadraina noho ny resaka politika», hoy izy ireo. Notanisain’ny RMDM ho anisan’izany ny […]

Loholona Besoa Erick : “Manohana antsika i Etazonia”

Anisan’ireo niatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy i Afrika, natao tany Washington DC ny filoha lefitry ny Ante­ni­mierandoholona, i Besoa Eric ny herinandro teo. Nam­barany fa nahavelom-bolo ny fihaonana. “Vonona ha­natsara sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Afrika i Etazonia, indrindra fa amin’ireo tena laharam-pahamehana iraisana maneran-tany”, hoy izy. […]

Fifaninanan’ny antoko mpihira : norombahin’ny Apal Bemasoandro ny voalohany

Tontosa ny alahady teo , teny amin’ny tokotanin’ny kaominina Bemasoandro ny fifaninanana hira ho an’ireo antoko mpihira, eo anivon’ny distrikan’Atsimondrano. Norombahin’ny Amboaram-peo akon’ny lanitra (Apal), antoko mpihira eo anivon’ny fiangonana katolika Bema­soandro Itaosy ny laharana voalohany tamin’ny sokajy “Open”. Lasan’ny “Grace choir” kosa ny teo amin’ny sokajy “Gospel”. Naharitra roa volana […]

Fiofanana arakasa : namoaka tanora miisa 152 ny INPF

Navoaka ny herinandro teo ireo tanora miisa 152, niofana teo anivon’ny INPF, Ivato. Nisalotra ny anarana “Avo” ity andiany faha-19 ity, rehefa niofanana nandritry ny roa taona. Notolorana ny maripahaizana “Brevet d’Etude Supérieur -BTS” , sy ny “Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée -DFPS” , ary ny “Diplôme de Formation Professionnelle […]