Politika

Governemanta: manameloka ny fidirana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny governemanta, omaly. Nohelohin’izy ireo tanteraka ny fikasana hanao korontana amin’ny fidirana an-keriny eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Manao antso avo ny governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika”, hoy ny fanambarana. Niantso […]

Fampiasam-bolan’ny kandidà : Miantso fanaraha-maso ny TI-IM

“Telo herinandro izay ny fampielezan-kevitra. Volabe tsy fanta-piaviana no ampiasain’ny kandidà sasany”, hoy ny tale mpanatanteraky ny Transparency International-Iniative Mada­gas­car (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, momba ny fampiasam-bolan’ny kandidà. Efa roa taona izay ny TI-IM no nitaky ny hanova ny lalàna mifehy ny fifidianana mba hampitovy tantana ireo kandidà. […]

Ceni : “Diso ny hoe misy PV efa vita sonia”

“Tsy mitombina izany raha ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy mbola nisokatra hatramin’izao ny PV, fa mbola ao anatin’ny “palette” nametrahana azy”, hoy ny avy eo anivon’ny Ceni, miahy ny faritra atsimon’ny Nosy, Razafimamonjy Laza Rabary. Namaly bontana ny nambaran’ny mpanao politika fa misy fitantanana an-tsoratra (PV) voka-pifidianana efa vita sonia. […]

Namearison Robert : “Mitaky ny fijoroan’ny olompirenena ny toe-draharaha amin’izao”

Aiza ho aiza ny olompirenena amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Takina ny fijoroan’ny olompirenena, raha ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert. Fanehoan-kevitra… “Mitaky amin’ny olompirenena tsirairay fandinihana lalina ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Eo koa ny famakafakana lalina sy fijoroana ho tena olompirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe […]

Minisitra Rivotiana Jean Bosco : “Samy hijinja ny nafafiny amin’ny propagandy”

“Ho avy ny fifidianana amin’ny 16 novambra. Misy ny sasany tsy mety manao fampielezan-kevitra. Safidy io. Tsy azo terena hanao fampielezan-kevitra ny tena. Sa­my mijinja izay afafiny amin’ny fampielezan-kevitra”. Izay ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, i Rivotiana Jean Bosco, manoloana ny […]