Politika

Fifidianana: tsy hanolotra kandidà ny Fiombonana

Vita omaly, teny Ambatomirahavavy, ny kongresy nasionalin’ny antoko Fiombonana. Mazava ny tapak’izy ireo. “Tsy handrotsaka kandidà ho filoham-pirenena aloha izahay nefa misokatra amin’ny hery rehetra. Anton’izany ny tsy fahafenoan’ ny fepetra miantoka ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny“, hoy ny sekretera jeneraly, i Durlin Retogniane. […]

AFF- Ravatomanga Haingo: “Miantso ny filoha Rajoelina Andry ho kandidà izahay”

Ranolava ny fiantsoana ny filohan’ny repoblika am-perinasa ho kandidà. Anisan’izany ny Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny ho valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry, manoloana ireo antso samihafa avy amin’ny sehatra isan-karazany tato ho ato. Tsy maintsy mametra-pialana izy ny faha-9 septambra raha […]

Minisitry ny Atitany: “Tsy misy ny famoronana fokontany vaovao” 

“Mbola ny isan’ny fokontany teo aloha hatramin’izay ihany no iasana hatramin’izao”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin. Nivoitra izany tamin’ny fanambarana nataony, ny faran’ny herinandro teo. Namaly ny resaka voizin’ny mpanao politika sasany ny amin’ny fisian’ny fokontany vao noforonina hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny […]

Andriamiseza Alain: “Ilaina ny rafitra vonjimaika hanamboarana ny fifidianana”

Manana fomba fijery hafa mihitsy ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim) mahakasika ny fifidianana. “Mila rafitra vonjimaika izany”, hoy Andriamiseza Alain. “Ilaina ny fifampidinihana sy fananganana rafitra vonjimaika ahazoana miara-miasa, hahazoana mamboatra lalàm-pifidianana sy ny rafitra rehetra momba ny fifidianana. Rehefa milamina izay ary […]

ZDS Ankarafantsika : Kaomandy vaovao ny Jly Narivony José Marcellin

Tontosa omaly, tao Maha­janga ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana eo amin’ny Jly Saidi Sylvain Modeste, kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika (ZDS) teo aloha sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Na­rivony José Marcellin. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika, ny […]