Politika

Kaominina ambonivohitra Toamasina : Hanatanteraka ny fanamby ny ben’ny Tanàna

Tsy hihemotra amin’izay efa tapaka sy fanamby nataony tamin’ny vahoaka ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, ny mpahay lalàna Alain Andriafa­nomezantsoa, sy ny ekipany. Tato ho ato, nasehony tamin’ny fandraisany andraikitra ny fitazonana ny teny nataony. Tsy maintsy sokafana ny lalampasika rehetra izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina mba hitsinjovana […]

Fidinana ifotony MFFT: Hofanina ireo mpitantana ny biraon’ny fananan-tany

Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny zo hanana tany eto Madagasikara, iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nidina ifotony ireo mpiasan’ny minisitera amin’izany. Hifarana anio, rehefa nanomboka afakomaly, ny fanofanana ny ekipan’ny fitaleavan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eo anivon’ny MFFT any Maevata­nàna sy Mahajanga […]

Kandidà sy delegen’ny Avi: Mitsipaka ny voka-pifidianana

Mbola nanamafy ny kandidà sy ny delege miara-dia amin’ny Avi, avy any Andria­mena Tsaratanàna, fa mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tany an-toerana. Naneho ny alahelony izy ireo tamin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny biraom-pifidianana miisa 4 sy ny fahatratrarana hosoka. Efa lany tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny kandidàn’ny Avi, Rakotoarivony […]

Andrianainarivelo Hajo: “Tokony harovana ny sosialim-bahoaka…”

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­rivelo Hajo, omaly, fa nahitana fihenana lehibe tato ho ato ny fanampiana ara-bola avy any ivelany “Aide publique au développement”. Anisan’iza­ny ny fanampiana avy amin’ny vahoaka amerikanina (USAID). Miakatra hatrany ny vidim-piainana, ary vao mainka niharatsy ny toe-draharaha ara-toekarena taorian’ny fa­napahan-kevitry ny Banky foibe […]

Ho ferana 44°C ny tahan’ny alikaola: havela malalaka ny toaka gasy

Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe azon’ny rehetra atrehina, omaly, ny fanalalahana ny toaka gasy. Anisan’izany ny fahazoana mamokatra sy ny fivarotana azy. Misy fepetra arahina anefa izany. Tsy maintsy ampanarahana fenitra. Nolaniana izany tolo-dalàna momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy izany rehefa nasiam-panitsiana sy novaina. Lalàna natolotry ny […]