Nanala ny ahiahin’ny maro na tsy hokitihina na hahitsin’ny depiote aza ny tetibola “LFR”. Nambaran’ ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin, omaly, fa hampafantarin’izy ireo tsy ho ela ny tena tetibola farany ilaina amin’ny fanatanterahana fifidianana. “Manana anjara biriky amin’izany ny fitondram-panjakana. Eo koa ny ifampiresahana amin’ ny mpiara-miombona antoka […]
Politika
Avotra ho an’ny firenena : “Mila alamina ny firenena mialoha ny fifidianana”
“Ankehitriny, miteny izahay fa mila alamina aloha ny firenena. Tsy mbola tokony hihazakazaka amin’ny fifidianana isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra ny antoko Avotra ho an’ny firenena, Dr Razafindrakoto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Ho vita foana ny fifidianana, fa aleo aloha halamina sy […]
Filankevitry ny minisitra : faritra faha-24 Ambatosoa
Eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, noraisin’ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny filoha Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, ny volavolan-drijantenin-dalàna momba ny fananganana Faritra vaovao any amin’ny tapany avaratry ny Faritanin’i Toamasina, izay antsoina hoe Faritra Ambatasoa. Mandrafitra izany Faritra vaovao izany ny distrikan’i Maroantsetra, ahitana kaominina 20 sy […]
Antoko Malagasy miara-miainga: “Tsy mahagaga isika raha tra-pahasahiranana”
Nitondra fanehoan-kevitra manoloana ny fitsinjaram-pahefana voiziny ny eo anivon’ny MMM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa misy ny hevi-diso amin’ny fandraisan’ny sasany izany. Tsy mitombina ny filazan’ny sasany fa tsy mahavaha ny olan’ny vidim-piainana sy ny fampianarana, fahasalamana… ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy gaga isika raha tra-pahasahiranana satria ny eny […]
Banga ny tontolo politika: nodimandry Rasamoelina Hary Naivo
Misaona ny tontolo politika. Nodimandry, omaly, Rasamoelina Lala Hary Naivo. Efa tao anatin’ny tsy fahasalamana ny tenany nandritra ny fotoana maro. Sitrana avy eo saingy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Filoha mpanorina ny antoko Dina maha olona sy ny demokrasia (DHD) izy rehefa nisintaka tsy teo anivon’ny antoko Arema intsony, tamin’ny […]




