Politika

Rakotoson Andriamihaja Jimmy : “Aza variana manenjika fotsiny ny firaisamonina sivily”

Aiza ho aiza ny zotram-pifidianana amin’izao? Misy ny mpisehatra politika tsy manao afa-tsy ny mitsikera. Toy izany koa ny firaisamonina sivily sasany. “Aza variana manenjika fotsiny ny firaisamonina sivily”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpikamban’ny ASD, Rakotoson Andriamihaja Jimmy. “Aza variana manenjika fotsiny… Amin’ny maha firaisamonina sivily, manana adidy amin’ny fanentanana […]

Ravalomanana Marc ; “Misy hatrany ny sakantsakana”

“Tena mahagaga, misy hatrany ny fanakantsakanana hatramin’izao”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tamin’ny fivorian’ny antoko tarihiny, teny Faravohitra, afakomaly, manoloana izay heveriny ho sakantsakana mialoha ny fampielezan-kevitra. Raha te hiasa amin’ny fangaraharana sy te hanitsy an’ireo olona zatra ny lalan-dririnina ny tena, milaza mazava tsara: aza mitanila ianareo […]

Fitsidihana any Sava : nomena ny lakilen’ny lavanila Rajaonarimampianina

“Fantatro fa tena mifanara-bintana tokoa izaho sy ny faritra Sava. Henoko ny fitarainanareo momba ny fihariana lavanila”, hoy izy. Nanteriny fa tena potika tanteraka izany amin’izao fotoana izao. Na­metraka fanamby ny hamelomana indray io sehatra io ny tenany tamin’izao fihaonana izao. “Voaraiko ny lakilen’ny lavanila nomenareo ahy…. Ho avy ny […]

Rakotovazaha Olivier : “Ho hita eo ny ataon’ny fitsarana momba ny zom-pirenena”

“Fotoana izao hanamarinan’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay hanaovana fangatahana ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier, manoloana ny fita­kian’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny taratasy fanamarinana ny amin’izany. Amin’izany no hahitana izay nangataka fizakana […]

Fampiroboroboana ny indostria: mitovy vina amin’i Kagame ny filoha Rajoelina

Nitohy tamin’ny fitsidihana toerana samihafa ny dian’ireo delegasiona tarihin’ny filoha Rajoelina atsy Rwanda, omaly. Tsy mifanalavitra ny fomba fijerin’ny roa tonta eo amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny nojerena tamin’izany ny faritra manokana ho an’ny toekarena “Zone économique spéciale” ao Kigali, Renivohitra. Mifanandrify amin’ny veliranon’ny filoha ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria ho an’ny […]